Toekarena

Fitantanana ny Orinasa Fanalamanga Hifandroritana ny fanolorana kandidà


  • Alakamisy 27 Aogositra 2020

Hifandroritan’ny antokon’olona samihafa maro ankehitriny ny fanolorana kandidà ho fidiana ho mpitantana vaovao ao amin’ny orinasa Fanalamanga any Antsirinala Moramanga ankehitriny.

 

 Ny ekipa miaraka amin’ny DG teo aloha izay lasa solombavambahoaka,, Atoa Augustin Rakotonirina ohatra izay ahitana an’Atoa Pierre Houlder sns… dia fantatra fa hanohana ny DG mpisolo toerana am-perinasa ankehitriny. Ny ekipa ahitana ny solombavambahoakan’i Moramanga Dr Lova miaraka amin’ny loholon’i Madagasikara Rtoa Virginie etsy an-kilany dia hanolotra kandidà manokana ho tohanana ihany koa. Ny mahalasa ny saina anefa dia samy mpanohana ny fitondrana misy ankehitriny avokoa ireo vondron’antokon’olona ireo. Tsy mbola mifarana hatreo anefa ny lisitr’ireo izay mety ho kandidà amin’ity fifaninanana ity satria mbola tsy dia fantatra mazava ny datin’andro hanaovana ny fandraisana anarana.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT