Toekarena

Fitantanana ny hetra Hisy fenitra vaovao


  • Talata 05 Septambra 2017

Nosokafana teny amin’ny Paon d’Or Ivato omaly alatsinainy 4 septambra ny andiany faha-3 amin’ilay kongresy fanao

isan-taonan’ireo tambajotra afrikanina miompana amin’ny fikarohana ny tontolon’ny hetra na ny ATRN. Mandritry ny 3 andro ny hetsika. Manodidina ny fanatsarana sy fanamorana ny fandoavan-ketra no vontoatin’ireo lahadinika hifandimbiasan’ireo firenena afrikanina mandray anjara. Araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny hetra, Razafindrakoto Garisse, dia ny fahavononantsika amin’ny fiovam-penitra eo amin’ny fitantanana ara-ketra no mahatonga antsika mandray ny kongresy. Aoanatin’ny fiovam-penitra ny firosoana amin’ny fampiasana ireo teknolojia vaovao. Nambarany fa tsy mena-mitaha amin’ireo firenena afrikanina ny kalitaon’ny teknolojia hampiasaintsika. Tsy tafapetraka amin’ny ankamaroan’ny Malagasy anefa ny fampiasana azy ka sahirankirana isika. Hiteraka tohivakana eo amin’ny fifandraisan’ny isam-batan’olona amin’ny sampandraharahan’ny hetra anefa io fenitra vaovao io, hoy ny tenany.

J. Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT