Toekarena

Fitantanana ny harena an-dranomasina Saropiaro amin’ny azy ny mpanjono avy any Atsimo


  • Alarobia 23 Mey 2018

Nisy ny atrikasa notanterahan’ny fikambanana mpanjono MIHARI tany Mangily faritr’i Toliara nanomboka ny 16 mey ary tapitra tamin’ny zoma 18 mey teo. Atrikasa niarahana tamin’ireo mpanjono madinika maherin’ny 50 ary nanaovana fifanakalozana sy fifampizarana, indrindra fitadiavana vahaolana ny amin’ny hetahetan’izy ireo. Araka izany dia nitodika amin’ny fanatsarana ny fitantanana ny harena an-dranomasina izay fiveloman’izy ireo ny atrikasa.

 

 Anisan’izany ny fanamafisana ny fahaiza-manao sy fanentanana ny faritra Atsimo amin'ny lafiny fiarovana ny tontolo an-dranomasina. Izany dia hiteraka fanatsarana ny sehatra fiharian’izy ireo ka hampitombo hatrany ny fidiram-bolany. Ankoatr’izay dia eo ihany koa ny tokony hananganana ny lalàna mifehy ny jono miaro ny eny amin'ny moron-dranomasina. Ao, ohatra, ny tokony hamerana ireny fitaovana lehibe enti-manjono izay mamotika ny tontolo an-dranomasina ireny. Tahak’izany ihany koa ny tokony hanomezana toerana malalaka voatokana ho azy ireo mba hanaovany ny asa fanjonoana ka tsy hoelingelenin’ireo sambo mpanjono indostrialy.
 
Tsiry
 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT