Toekarena

Fitantanana maharitra ny harena an-dranomasina Tena ilaina ny voka-pikarohana


  • Zoma 12 Jolay 2019

Haharitra 2 andro ny famolavolana ny paikady hanangonana ireo voka-pikarohana mahakasika ny harena anaty rano.

 

 

 

Nanomboka omaly tetsy amin’ny Hotely Solimotel izany ary nivoitra tao fa tena ilaina ary takiana mihitsy ny voka-pikarohana mahakasika ny seha-pihariana jono sy ny harena anaty rano handraisana fanapahan-kevitra amin’ny fitantanana. Miaraka amin’ireo voka-pikarohana ireo no ahafahana mandrindra amin’ny ankapobeny ny fanapahan-kevitra raisina hanatsarana ny fitantanana maharitra sy ho lovain-jafy izay hita mbola lesoka eto Madagasikara. Hisy ny fametrahana rafitra fitantanana sy ny fijerena ny laharam-pahamehana amin’ireo voka-pikarohana, indrindra ny fitadiavana famatsiam-bola hifehezana ny fitantanana maharitra. Ankoatr’izay dia ilaina ny fiaraha-miasa amin’ireo mpisehatra sy mpiara-miombon’antoka rehetra. Anisan’ny asa fikarohana hita tao, ohatra, ny mahakasika ny fifehezana ny tahirina lalam-pihariana drakaka sy ny orita sy ny maro hafa. Eo ihany koa ny fomba fiainan’izy ireo sy ny teknika fiompiana hanaraka ny toetr’andro. Manankarena i Madagasikara ary midadasika ny ranomasina ka rariny raha jerena akaiky daholo amin’izay ireo harena anaty rano mba tena ho lovain-jafy fa tsy ny vahiny na ireo olom-bitsy hatrany no hahazo tombony.

Tsirinasolo

  

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT