Fitantanana ankapoben’ny hetra

«Sahirana ireo orinasam-panjakana lehibe»


  • Alakamisy 18 Aprily 2024

1400 miliara Ariary eo, ankoatran’izay efa nampidirina anaty kitapom-bolam-panjakana, ny hetra tsy tafiditra,

hoy ny tale jeneraly misahana ny hetra na DGI eto Madagasikara, Germain, nandritry ny atrikasam-pirenena momba ny hetra teny amin’ny CCI Ivato omaly. Ana orisam-panjakana lehibe tena sahirana ny 25 hatramin’ny 40%n’izay, hoy izy, izay tsy naha voaloa hetra nandritry ny taona maro. Sahirana ireo orinasam-panjakana lehibe. Fantantsika tsara izany. Ny fanjakana ihany aza amin’izao fotoana izao no manome famatsiana na «subvention» ho azy ireo. Sarotra ny ampidiran-ketra amin’ireo izao ka tsy maintsy hijerena paikady manokana. Misy orinasa tsy miankina sasantsasany koa tafiditra ao anatin’izany tsy fahefan-ketra izany. Misokatra amin’ny fifampiresahana izahay. Tsy ny hanahirana ireo orinasa akory no tanjona. Nisy na izany aza ny fiakaran’ny tahan’ny hetra tafiditra noho ny ezaka nanomboka ny taona 2019. Nisy paikady napetraka nandritra izay 5 taona izay ary tena nitondra voka-dehibe ny fametrahana ireny rindram-baiko sy fitaovana nomerika na «digitalisation» rehetra ireny. Any amin’ny 26% any ny tahan’ny fiakaran’ny fidiran-ketra 2023 raha mitaha ny tamin’ny 2022. Miisa 2 dia ny hetra eny anivon’ny fadin-tseranana sy hetra anatiny no mampiditra hetra tamin’ny kitapom-bolam-panjakana. Manodidina ny 4233 miliara Ariary ny hetra nampidirin’ny fitantanana ankapoben’ny hetra na DGI tamin’iny 2023 iny. Miandalana ny fitsirihana ara-ketra atao fa tsy ho araka daholo, hoy hatrany ny DGI.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT