Toekarena

Fitantanana an’i Madagasikara Tena ilaina ve ny fisian’ny Praiminisitra ?


  • Alatsinainy 14 Jona 2021

Mbola olana eto Madagasikara mandrak’androany ny fomba ny endri-pitantanana hitondrana ny firenena.

 

Ny rafitra manome fahefana feno ny Filoham-pirenena na ny « Régime présidentiel fort » no heverin’ny mpanara-baovao politika fa mety amin’i Madagasikara, zatra niaina ny faha-mpanjaka avy eo ny fanjanahantany, avy eo Repoblika faharoan’Itompokolahy Amiraly Didier Ratsiraka. Ny tantara, fomba, kolontsaina,… dia ny matoa no ekena sy misongadina foana, tsy hoe tsy misy dikany ny zandry fa ny matoa (lahimatoa, vavimatoa) no matetika eken-teny, mitondra ny fanilo miampita. Efa miraiki-tapisaka ao anatin’ny sain’ny ankamaroan’ny Malagasy io, ka rehefa mahazo fahefana izy dia sahirana rehefa misy olona laharana faharoa eo. Izy (lehibe sefo) manome toromarika sy mibaiko no mety aminy kokoa fa tsy izy manana olona 1 na 2 manalokaloka azy eo. Tsy maintsy ovaina ve izany ny lalàmpanorenana ? Filohan’ny Repoblika, avy eo minisitra na sekreteram-panjakana na izay hiantsoana azy ireo, ary foanana ny Praiminisitra. Olana voavaha amin’izay: ady varotra amin’ny fanendrena praiminisitra, izay adihevitra be foana ny fampiharana ilay andininy faha-54 amin’ny lalàmpanorenana. Malalaka hiasa ny Filoha haingana kokoa ny fiampitan’ny baiko sy ny toromarika. Tonga dia mazava hoe iza no tompon’andraikitra. Voasoroka ny Praiminisitra mahazo tsirony amin’ny fahefana ka lasa alaim-panahy ho kandida filoha amin’ny manaraka ka lasa sakana ho an’ilay filoha am-perinasa fotoana vitsy mialoha ny hahataperan’ny fotoam-piasany (lasa mpifanandrina ny Filoha sy ny Praiminisitra. Niharihary io tamin’ireo fifidianana Filoham-pirenena roa farany tao anatin’ny Repoblika ny 2013 sy 2018. Ho an’ny faritra: tonga dia Governora sy minisitry ny faritra. Mitovitovy amin’ilay fitondrana foibe ihany, ny fampandrosoana ilay faritra no tena imasoana, miaraka amin’ny fitaovana sy ny tetibola mazava ho azy. Ny fahefana feno no eo am-pelantanan’ilay Filoha, fa mizara fahefana mivantana amin’ireo tompon’andraikitra ambony miantsoroka ny faritra, mivelatra amin’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana, tsy tokony hisy elanelana sy an-tanan-tohatra lavitra be.

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT