Toekarena

Fitantanan-draharaham-panjakana Mifampiaro amin’ny ratsy ny mpitondra


  • Alarobia 26 Aogositra 2020

Sesilany ny karazana fipoahan-javatra manaratsy endrika ny fitondram-panjakana na “scandale”, izay toa misy miseho foana mila ho isan-kerinandro.

 

 

 

Endrika iray tsy fahafehezana ny fitantanan-draharaham-panjakana sy tsy fananan’ny mpitondra etika sy deontolojia io, fa manao izay saim-patatra. Tsy manaja ny vahoaka sy ny firenena satria mahatoky ny fahefana eo am-pelantanana, hany ka lasa manaotao foana. Zary fomba fiasa sy fomba fiady ao anaty fanjakana ny fifampiarovana amin’ny ratsy. Manao zavatra iray tsy voalanjanlanja, toy ny fitantanana tsy mangarahara ny volam-panjakana, kolikoly, ka rehefa tratra dia ao vao miaro tena sy mifampiaro, moa rehefa tsy tratra dia vitavita ho azy. Matoa mifampiaro dia hifanaovana io. Raharaha niteraka adihevitra omaly ihany koa, ohatra ny raharaha taratasin’ny Kaominina hifanaraka amin’ny orinasa vahiny amin’ny resaka tany, izay misy fitombokasem-panjakana sy tompon’andraikitra ara-panjakana izao manasonia, dia avy eo milaza fa tsy ao anaty lahadinika indray, rehefa nandeha ny kihana sy ny adihevitra nafana. Na iray tsy mifankahazo sy samy manao izay tiany ny tompon’andraikitra na nihemorana rehefa hita fa ho mafy ny ady. Hita ho misavoritaka ny fitantanana ny raharaham-panjakana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT