Ny volana aprily no nanesorana ireo Tale jeneraly miisa roa, izay tena toerana saropady na koa sokajiana ao anatin’ilay hoe « poste clé” teo anivon’ny
Minisiteran’ny toekarena sy ny vola, dia ny Tale Jeneralin’ny « Contrôle Financier » na ny DGCF Atoa Gilles Rabearinosy sy ny Tale Jeneralin’ny « comptabilité publique » Manantenasoa Michelline Hery nandritra ny filankevitry ny Minisitra ny 17 aprily 2020. Isan’ny adihevitra tamin’izany fotoana izany hoe sao tetika hoentin’ny mpitondra fanjakana manakona ny fitantanana tsy mangarahara ny fanampiana sy tohana iraisam-pirenena ho an’i Madagasikara tamin’izany fotoana izany, izay efa teo amin’ny 440 tapitrisa dolara, ary tafiakatra 600 na maherin'izany taty aoriana. Tompon’andraikitra ambony momba ny fanaraha-maso sy ny fitantanana ny volam-panjakana mantsy no nesorina. Efa-bolana aty aoriana vao nisy ny fanendrena olona vaovao hiandraikitra ireo toerana ambony ireo nandritra ny Filankevitry ny Minisitra omaly 20 jolay vao voatendry ny solon’izy ireo, ka Atoa Rahasavelo no voatendry ho DGCF, Atoa Raharijaona-Ndrianarimalala Rado Haja Eziekela kosa no voatendry ho Tale misahana ny « comptabilité publique » na DCP. Voatendry omaly ihany koa ireo mpikambana miisa 3 eo anivon’ny filankevim-pitantanan’ny Banky Foiben’i Madagasikara antsoina hoe “administrateurs non-éxecutifs” dia : Atoa Reziky Razafimarina Stefana Hery Zojaona Tantely (Fiadidiana ny Repoblika), Rtoa Rakotozafy Aina (Antenimieram-pirenena) ary Rtoa Rakotoarivony Eliane Tantely (Antenimierandoholona).
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.