Toekarena

Fitantanam-bola fisotroan-dronono Hirosoana ny fanavaozana ireo karatra rehetra


  • Talata 04 Febroary 2020

Tsikaritra ho nisy tsy fahatomombanana ny teo anivon’ny fitantanana ny vola fisotroan-dronono tao ho ao.

 

Izany no antony nahatonga ny fanjakana hanavao ny karatra amin’izao fotoana izao Efa nisy ihany ny hetsika nanavaozana ny karatra tamin’ny taona 2015 izay nanatsarana ny tahiry (base de données) ary nijerena ireo mpandray fisotroan-dronono efa maty sy ireo kamboty efa ampy taona kanefa mbola misitraka ihany. Nanapa-kevitra ny teo anivon’ny DGFAG (Direction Générale des Finances et des Affaires Générales) tamin’ny alalan’ny DSP (Direction de la Solde et des Pensions) ny hanamarina mihitsy amin’izao fotoana izao ny tena fisian’ny olona amin’ny alalan’ny fanavaozana ireo karatra fisotron-dronono hanatsarana ny fitantanana ny vola. Tanjona ihany koa ny hahafantarana marina ny isan’ireo mpisotro ronono mba hifanaraka tsara amin’ny vola avoaka hanaraka ny ara-dalàna. Araka ny tatitra dia hivoaka ireo karatra vaovao ireo ary ny mpiasa eo anivon’ny DSP no hitsinjara izany manomboka ny fandoavana ny fisotroan-dronono ny volana martsa ho avy izao eny anivon’ny toeram-pandraisana vola rehetra. Mba hahazoana izany karatra vaovao izany dia tsy maintsy mitondra ny karatra taloha sy ny kara-panondrony ary ny sariny vaovao ny mpisotro ronono. Raha olona hafa manana fahazoan-dalana (procuration) no ho tonga dia tsy maintsy mitondra ny kara-panondrony miaraka amin’ny kara-panondron’ilay misotro ronono voamarina avy eny amin’ny firaisana. Eo ihany koa ny fanamarinam-pahavelomana (certificat de vie) sy ny fanamarinam-ponenana latsaky ny 3 volana , ny taratasy (ordonnance) avy any amin’ny tribonaly voamarina eo anivon’ny Tahirim-bolam-panjakana miaraka amin’ny sary tapaka vaovaon’ny mpisotro ronono. Ho an’ireo kamboty kosa dia tsy maintsy mitondra ny bokim-piankohonana ireo mpiantoka miaraka amin’ny fanamarinam-pahavelomanana sy ny kopia nahaterahana latsaka ny 3 volana miampy ny sary sy ny taratasy any amin’ny tribonaly. 3 volana ny faharetan’ny fakàna ireo karatra vaovao ireo ary aorian’izay dia ho tapaka ny vola ho an’ireo tsy manaraka ny toromarika, hoy ny fanambarana. Ho an’ireo tsy afaka mandeha eny an-toerana noho ny aretina na ny fahanterana loatra dia hidina ifotony ireo mpiasa hanamarina mba hialana amin’ny mety ho endrika fisolokiana.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT