Fitakian-ketra mihoampampana

Orinasa goavana maro volosana amina miliara…


  • Alatsinainy 15 Aprily 2024

Orinasa goavana 12 raha keliny no tratry ny fangejana mivantan’ny sampan-draharahan’ny hetra ny kaontim-bolany

amin’ny banky noho ny raharaha fitakian-ketra mihoampampana na “redressement fiscal”, raha ny voalazan’ny fampalalam-baovaon’ny Africa Intelligence. Am-polony ihany koa no voalaza fa mbola eo amin’ny dingana hampiharana an’izany. Hetra am-polo taonany voalaza fa nolavin’ireo orinasa noho izy noheverina fa tsy ara-drariny no hanaovana fitakiana. Volabe tsy toko tsy forohana mahatratra amina miliara maro no takiana amin’izany. Eo amin’ny 1 miliara Ar na 210 000 euros isanisany. Anisan’izany ny orinasa mpanondrana Acier Salim Boka, ny orinasa mpanao fitiliana ara-pahasalamana IMM, ny Orinasa Star,.. raha ny voalazan’ny Africa Intelligence. Nanomboka ny volana aprily no voalaza fa nandeha ny fitsirihana ny kaontin’ireo orinasa amin’ny alalan’ny ATD (Avis à Tiers Détenteur), mba hanamarinana ny kaontiny. Ny volana martsa dia voalaza fa efa nanaovana izany ihany koa ny Sipromad an’ilay mpandraharaha matanjaka Ylias Akbaraly, saingy voalaza fa “bloqués” ny kaontiny, ary nisy fifampiraharahana handoavana tsikelikely ny vola, ka nanesorana an’ilay ATD. Voalaza fa nanao fanairana tamin’ny Ambasadaoro Frantsay eto ny CCIFM (Chambre de Commerce et d’Industrie France-Madagascar) tamin’ny alalan’ny filohany sy ny avy amin’ny GEM (Groupement des Entreprises de Madagascar), ka nisy ny fitsidihana sy fifampiresahana tamin’ny Minisitry ny toekarena. Nihaona ihany koa tamin’ny Tale Jeneralin’ny hetra (DGI) nangata-panazavana. Noresahana tao anatin’izay ihany koa ny trosa misavovona tsy naloan’ny Fanjakana tamin’ireo mpamatsy na “fournisseurs”, ny fahataran’ny fanonerana ny TVA an’ireo orinasa afak’haba,… Voalaza fa hisy ny fifampiresahana eo amin’ny DGI, ny DGE (Directrice des Grandes Entreprises) sy ireo solontenan’ny Vondron’ny mpandraharaha eto amin’ny Nosy ny faramparan’ity Aprily ity na ny fiandohan’ny volana may. Manenjana ny sampan-draharaha miady amin’ny hosoka ara-ketra, ary manamafy ny fitakiam-bola ny Fanjakana. Tsy ireo orinasa goavana ihany fa betsaka ny mpandraharaha mikaikaika amin’ny hetra, ao ireo nanao tsenam-panjakana tsy voaloa vola,… Mety manana ny heveriny fa rariny, fa heverina ihany koa fa tsy ampy vola ny Fanjakana ka mitady hevitra hampidiram-bola. Sary efa mpitranga ihany koa anefa ny famelezana ireo mpandraharaha mety ho tsy mitovy hevitra ara-politika. Toa manamarina ny tatitry ny Heritage Foundation fa nihemotra isika amin’ny fahalalahana ara-toekarena izay any amin’ny laharana faha-97. “Mandeha ny fitakiana ara-ketra mihoampampana na “redressement fiscal” amin’ireo avy amin’ny fanoherana,… Mirona amin’ny Fanjakana tsy refesi-mandidy. Lasa fitaovana politika daholo na ny rafi-panjakana, misy ny baiko politika,… ka mirona makany amin’ny fipoahana isika”, hoy I Pr Ralison Roger ny faran’ny herinandro teo, raha naneho hevitra momba ny toe-draharaha ara-toekarena sy ara-politika izy ireo.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT