Toekarena

Fitakian-ketra mihoampampana “Natao hovaliana ka raha voavaly ara-dalàna dia foana”


  • Alakamisy 09 Febroary 2023

Nampikorapaka mafy ireo orinasa amin’ny sehatra tsy miankina ny taratasin-ketra avy amin’ny Foibem-pitantana ny hetra mikasika fanintsiana ara-ketra na “redressement fiscal”.

Tany amin’ny desambra 2022, ohatra, ny 56 tamin’ireo orinasa 114 mpikambana tamin’ny Vondron’ny orinasa afakaba sy ny mpiara-miombon’antoka aminy (GEFP), dia nahazo an’io taratasy io avokoa, ary nahatratra 550 miliara Ar zany satria manodidina ny 10 miliara Ar isaky ny orinasa teo. Nilaza kosa omaly ny Tale Jeneralin’ny hetra Atoa Gérmain, fa zavatra fanao isan’andro ny fampahafantarana ny fanintsiana ara-ketra mba hisian’ny fanarahan-daloàna. Ny “redressement fiscal”, hoy izy, tsy natao hampatahaotra fa natao hovaliana, tsy natao hampihorohoro ny orinasa. “sytème declaratif” ny antsika, ka anjaran’ireo orinasa ara-toekarena no manao fanambarana, ary ny sampan-draharahan’ny hetra kosa no mijery hoe: mitombona sa tsia. Ny hafatra hapetraka amin’ireo orinasa naharay “notification de redressement” izany dia tsy tokony ho taitra na hipanika, fa natao hovaliana, ka raha voavaly ara-dalàna dia foana ilay “redressement”, hoy izy, izay nanamarika fa mbola manana fotoana ahafahana manao izany ireo orinasa. Nilaza hametraka rindram-baiko hahafahana mamoaka azy mialoha any amin’ny volana jona any ho any ny Foibem-pitantana ny hetra mba hialana amin’ny fahatarana. Ny an’ny taona 2019 no noraisina tamin’ny faran’ny 2022 amin’io resaka hetra io. Marihina fa notanterahina omaly 08 febroary 2023 tao amin’ny foiben’ny SIM Analakely ny Atrikasa fampahafantarana ny fametrahana ny Ivon-toeram-pintantanana nankatoavina ho an’ireo orinasa madinika sy salantsalany, izay fiaraha-miasa eo amin’ny Fanjakana malagasy amin’ny alalan’ny Sampan-draharahan’ny Hetra sy ny Conseil Supérieur de la Comptabilité (CSC), ny Fandaharanasan’ny Firenena Mikambana ho any Fampandrosoana (PNUD), ary ny Syndicat des Industries de Madagascar (SIM). Navohitran’ny Tale Jeneralin’ny hetra fa manao ny ezaka rehetra ny eo anivon’ny Ivon-ketra mba hahafahan’ireo mpandraharaha miditra sy hijanona amin’ny sehatry ny ara-dàlana, ary vonona hatrany ny hanome fihofanana amin’ny resaka hetra raha toa ka ilan’ireo mpandraharaha ireo izany.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT