Fitakiam-bola amin’ny fanondranana ny asa tànana

Misy andininy tsy eken’ny HCC ao anatin’ny LFI 2024


  • Zoma 22 Desambra 2023

Nambaran’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na ny HCC fa

tsy mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana ny andalana faha-20 amin’ny lalàna 2023-021 mikasika ny tetibolam-panjakana na LFI 2024. Mamaritra ny fanomezan-dàlana hanao fitakiam-bola ho an’ny Minisiteran’ny Asa tànana mba hanohanana ny tetibola ankampoben’ny Fanjakana amin’ny alalan’ny tamberiny na « redevance », tanterahan’ny sampan-draharaha nahazo alalana manokana. Vola mifandraika amin’ny fankatoavana na « certification » ny vokatry ny asa tànana halefa haondrana any ivelany io, izay voalaza fa tokony ho voafaritra ara-dalàna tsara ny taha sy ny fomba fitakiana ny vola mikasika izany. Notsipihin’ny HCC tao anatin’ny fanapahan-keviny, fa ny fanomezan-dàlana hitaky izany hetra izany dia isan-taona, ary tokony ho mifanaraka amin’ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana.
Toky R
Sary fanehoana


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT