Toekarena

Fitadiavana famatsiam-bola Hitalaho any Afrika atsimo indray


  • Sabotsy 03 Jona 2017

Taorian’ny tamin’ny desambra 2016 tany Paris dia hisy indray ny fikaonandohan’ny mpitondra Malagasy amin’ny mpampiasa vola sy ny mpandraharaha antsoina hoe « Investors Conference for Madagascar », hatao any Johannesbourg Afrika Atsimo ny 14-15 jona, ka ny vovonana ara-toekerana EDBM (Economic Development Board of Madagascar) no hiara-hisalahy amin’ny fanjakana amin’ny fanatanterahana azy io.

Ao amin’ny foiben’ny Banky Afrikanina Tatsimo momba ny fampandrosoana (DBSA) no hanaona ny fihaonana, ka mpandraharaha sy mpampiasa vola 80 no hifandresy lahatra amin’ny mpitondra. Ankoatra ny mpitondra dia manodidina ny 60 ireo mpandraharaha avy amin’ny sehatra tsy miankina izay ahitana ny avy amin’ny SIM, GEM, FIVMPAMA, GEFP, GFEM. Nireherahan’ny fitondrana Rajaonarimampianina fatratra ny tany Paris ny 1-2 desambra 2016 fa volabe hatrany amin’ny 10,2 miliara dolara no azo nandritra ny fikaonan-doha tany Paris, saingy tsy nisy nipotsaka hatramin’izao ary tsy hay aloha hatreto na ho toy izay ihany no hiseho na mba hahita vokatra amin’izay ny fanjakana HVM. Tombanana fa mbola ho sarotra noho ny tany Paris ity any Johannesbourg ity na eo amin’ny fomba hoenti-mifampiresaka sy mifandresy lahatra na ny resaka diplomasia amin’ny ankapobeny satria ny teo amin’ny tontolo Frankôfônina izay azo ambara ho efa tsy vaovao amin’ny Malagasy aza tsy nahitam-pahombiazana maika fa hiditra amin’ny sehetra hafa tahaka izao. Ny fanjakana HVM rahateo efa tena tsy manana izany antsoina hoe fitokisana avy amin’ny rehetra izany satria na ny vahoaka Malagasy aza efa tofoka sy leo amin’ny kolikoly eto amin’ny firenena mainka fa ny sehatra iraisam-pirenena. Hany herin’ny fitondrana dia ny mitsapatsapa sisa sao dia mba hisy hahomby ihany ny fitangiriana vola etsy sy eroa fa izay finiavana hanafoana ny tsy maty manota sy ny fampanjakana ny tany tan-dalàna mba hiverenanan’ny fitokisana dia tsy misy, hany ka dia tetezina avokoa rehefa mety hahazoana vola na ny frantsay na arabo, na sinoa… Ireo delegasionina avy amin’ny sehatra tsy miankina sisa hany fanantenana.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT