Toekarena

Fisintonana famatsiam-bola avy any ivelany Tsy manana “négociateur” matotra i Madagasikara


  • Talata 04 Febroary 2020

Mbola sahirana i Madagasikara amin’ny fifandraisana maneran-tany na amin’ny lafiny ara-barotra na amin’ny lafiny ara-toekarena ankapobeny.

 

 

Tsy mbola tafavoaka mihitsy aloha hatreto ny firenena fa mainka mahazo vahana ny fahantrana. Mbola eto am-piandrasana ny fanatanterahana  ny vina sy ny veliranon’ny filoham-pirenena ny vahoaka . Amin’izay mba fifanarahana ataon’i Madagasikara dia hita ho mahazo tombony hatrany ny firenena manankarena sy ireo firenena mifandray akaiky amin’ny Malagasy. Tsy maintsy mijery hatrany ny tombontsoany ireo firenena ireo mialoha ny irosoany amin’izay mety ho fifanarahana. Eo indrindra no mipetraka ny olan’i Madagasikara amin’izao fotoana izao satria na ireo mpanapa-kevitra na ny tompon’ny teny farany dia hita ho sahirana any anatin’ny fifampiraharahana sy ny fifandresen-dahatra. Toa hita ho manaiky mora fotsiny ary tsy mametraka ny fepetra mahasoa sy hahasalama ny toekarem-pirenena izy ireo. Tsy dia manana soso-kevitra firy ary hita ho malemilemy kanefa mirehareha fatratra amin’ny zavatra kely vita sy natao; raha fintinina ny zava-misy amin’izao fotoana dia tsy manana ilay antsoina hoe : “négociateur” na mpanao fifampiraharahana amin’ny mpamatsy vola ny fanjakana Malagasy. Tombony tamin’ny faha Ravalomanana ny fametrahana an’i Madagasikara teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena noho ny fahaizany mifampiraharaha sy nananany ireo olona manodidina azy feno traikefa na ireo “négociateurs”. Anisan’ireny ny minisitra fahiny Ivohasina Razafimahefa, Hajanirina Razafinjatovo, Marcel Ranjeva izay nanana ny fahaiza-manao tamin’ny fifampiraharahana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Hita ho nahazo aina ny toekarena tamin’ireny satria sady nahay mandresy lahatra ireny olona ireny no tena nanan-kevitra nitondra fampandrosoana. Hany ka roboka nanao fandraharahana taty Madagasikara ny  ankamaroan’ireo firenena avy any ivelany tamin’ireny fotoana ireny. Raha ny amin’izao vanim-potoana izao aloha dia mbola miaina anaty resaka ambony latabatra fotsiny ny firenena Malagasy. Tsy matoky ny mpampiasa vola ary mitaredretra ny famatsiam-bola. Eo ny tarazon’ny fanonganam-panjakana fa hita ihany koa ny tsy fisian’ireo olona tena mahay mandresy lahatra amin’ny fifandraisana amin’ireo firenena avy any ivelany hanatanterahana ny  hetahetan’ny vahoaka..

 

Tsirinasolo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT