Toekarena

FISEMARE “Aleo hiasa adin’ny 8 ny mpiasa”


  • Sabotsy 02 Mey 2020

Firaisamben’ny sendikan’ny mpiasa malagasy revolisionera na FISEMARE miatrika ny fikorontanan’ny tontolon’ny asa eto Madagasikara. Io no

 

 

 

lohahevitra nentin’ny foibe FISEMARE nanamarika ny fetin’ny asa na ny datin’ny 1 mey tetsy amin’ny foibeny etsy Ankadivato omaly. Noho ny fihibohana dia tsy afa-milahatra, hoy ny fanazavana, ka noho izany dia ny birao foibe ihany no nanapa-kevitra ny hampita ireo vaovao tsara ho fantatra. Mahare fitarainana hatrany izahay, hoy izy ireo, fa tsy arak’izay toromarika nomen’ny filoham-pirenena no mitranga amin’ny fiainan’ny mpiasa malagasy maro ankehitriny. Isan’izany ny resaka tsy tokony hampiatoana nohon’ny lafiny ara-tekinika ireo mpiasa sy ny lafiny fanampiana avy amin’ireo banky. Mangataka noho izany ny fisemare ny amin’ny mba hamelana ireo mpiasa hiasa 8 ora isan’andro raha tsy efan’ireo mpampiasa izay fahafahana tsy mampiato mpiasa izay. Mangataka ihany koa ny fahafahan’ireo fiara fitaterana hanitatra ny ora fiasany. Isan’ny angatahan’ny Fisemare koa hoy ny sekretera jeneraliny, Mananandro Jean Raphael, ny fanaraha-maso ny fanatanterahana ireo teny nampanantenain’ny filoham-pirenena. Ny fanamafisana ny fepetra ara-pahasalamana rehetra fotsiny no tokony hampanarahana izany rehetra izany, hoy izy ireo.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT