afaka mivoatra i Madagasikara »
Manana herijika lehibe i Madagasikara hanatsara ny maha mahasarika azy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, raha ny nambaran’ny Ambasadaoron’ny Vondrona Eoropeana Atoa Roland Kobia, notaterin’ny vaovao an’habaka iray omaly. Raha misy finiavana politika mazava, fanapahan-kevitra mifantoka amin’ny tombontsoa iombonana ary sehatra tsy miankina mavitrika sy misokatra, dia afaka manamafy ny fifaninanany ny firenena ary misarika bebe kokoa ny fampiasam-bola vahiny, raha ny filazan’io Diplaomaty io. Ao anatin’ny filaharana farany navoakan’ny Global Attractiveness Index 2025 (GAI), mbola any amin’ny farany amin’ireo firenena Afrikana 38 mifaninana isika. Ny GAI dia mandrefy ny maha-mahasarika ny firenena amin’ny alalan’ny fanombanana sehatra efatra lehibe: ny fisokafana, ny fanavaozana, ny loharanon-karena ary ny fahombiazan’ny rafitra. Izany no ahafahana mampitaha ny fifaninanana ara-toekarena sy ny fahaizan’ny firenena misarika mpampiasa vola iraisam-pirenena. Nilaza ihany koa ny Masoivohon’ny Vondrona Eoropeana fa vonona hanampy an’i Madagasikara amin’ny fanavaozana sy ny hetsika rehetra izay mikendry ny hanamafisana ny fifaninanany sy hanova ny herin’ny firenena ho lasa fahafahana azo tsapain-tanana ho an’ny vahoaka. Tsara ny manamarika fa amin’ireo firenena afrikanina 38 voarakitra, Maurice, Ejipta ary Aljeria no tena misongadina sy mitana ny lohalaharana. Ny ankamaroan’ny firenena hafa, anisan’izany i Madagasikara, dia mbola mila fanatsarana lehibe amin’ny fahombiazan’ny governemanta, fanavaozana ary fampandrosoana ny loharanon’olombelona mba hahasarika bebe kokoa ny mpampiasa vola iraisam-pirenena. Antony mahavoasokajy an’i Maurice ho laharana voalohany aty Afrika ny fisokafana ara-toekarena sy ny rafitra ara-dalàna maharitra. Faharoa i Egypte amin’ny maha firenena lehibe manana tsena midadasika sy fanavaozana mitombo. Fahatelo i Algérie izay mahasarika mpampiasa vola noho ny loharanon-karena voajanahary sy ny fanatsarana ny fitantanana.
Toky R
Ny Global Attractiveness Index 2025 dia mandrefy firenena 146 maneran-tany amin’ny alalan’ny indikatora 50 mahery, ary
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.