Toekarena

Firoboroboan’ny indostria aty Afrika Tsy hita tabilao amin’ireo 20 voalohany i Madagasikara


  • Alatsinainy 05 Desambra 2022

Namoaka ny tatitra voalohany mikasika ny fandalinany ny firoborobon’ny Indostria amin’ireo firenena Afrikanina ny Banky Afrikanina momba ny fampandrosoana na ny BAD.

Fanadihadiana sy fandalinana nolaroina an’ireo tondro miisa 19 samihafa, toy ny tombony ambony apanga na « valeur ajouté » entin’ny orinasa indostrialy iray mitaha amin’ny isan’ny mpinina, ny antsoina hoe « crédit intérieur du secteur privé » izany hoe : ny vola entin’ny sehatra tsy miankina mitaha amin’ny harin-karena, ny faharetan’ny ankizy any an-tsekoly, ny tondro momba ny kolikoly,… Ao anatin’io filaharana io izay notaterin’ny SIKA Finance no mamaritra mazava ireo firenena tena miroborobo amin’ny indostria aty Afrika (Classement des pays les plus industrialisés en Afrique), dia milaza fa lohalaharana i Afrika Atsimo, arahin’i Maroc, Egypte, Tunisie, Maurice, Eswatini, Sénégal, Nigeria, Kenya, Namibie. Ireo no folo voalohany, ary faha-11 kosa i Algérie, arahin’i Gabon, Côte d’Ivoire, Ghana, Guinée Equatoriale, RD Congo, Botswana, Bénin, Zambie, Ouganda, ary faha-21 I Tanzanie. Aiza ho aiza amin’izany i Madagasikara ? Ny volana aogisitra 2022 teo anefa, nandeha nakany Vienne Autriche ny Filoha Rajoelina, nosorana ho tompondakan’ny fampiroboroboana ny Indostria,… Nanaovana serasera manaka-danitra, nentina nandokafan-tena, namoahana antontan’isa mihitsa aza fa dia nahaforona indostria miisa 107 teo angamba izy izay. Mason-tsivana sy fanadihadiana ara-tsiantifika tahaka ny ahoana no nentina namaritana fa dia ny Fanjakana Rajoelina no tena tompony sy fitaratra amin’ny resaka indostria ? Rehefa tena zohiana, toa zavatra namboamboarina ary voalaza tamin’izany fa dia olona akaiky ny mpitondra ihany no toa nanao ny kajikajy. Raha tena nitombina ilay hoe tompondakan’ny indostria, tokony mba ho hita taratra tany amin’ny toekarena, famoronan’asa,… Vao ny herinandro lasa teo anefa no namoaka tatitry ny fanadihadiany ny Afrobaromètre fa Malagasy 70% amin’ny Malagasy no naneho fa mizotra makany amin’ny ratsy kokoa ny toekarem-pirenena raha ny tao anatin’ny 12 volana no jerena. Naneho ny ankamaroan’ny Malagasy fa tsy afa-po tamin’ny asa sy andraikitra raisin’ny governemanta: 94% tsy afa-po amin’ny fitantanana ny krizy sy ny fifehezana ny vidin-javatra; 70% tsy afa-po amin’ny fitantanana ny toekarena; 76% tsy afa-po amin’ny famoronana asa,… Rehefa zohiana, ampangain’ny zava-misy hatrany ny Fitondrana Rajoelina, miezaka milalao serasera, ary toa mamahan-dalitra vahoaka mihitsy aza,… saingy mitsikafona foana ny tena marina. Asa mby aiza izao ilay orinasa mpamokatra fiara gasycar ? Mpamokatra simenitra?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT