Toekarena

Firenena mpanondrana jirofo Mitazona ny laharana voalohany i Madagasikara


  • Alakamisy 05 Janoary 2023

Mitazona ny laharana voalohany amin’ny firenena mpanondrana jirofo hatrany i Madagasikara raha ny vaovao navoakan’ny « Economic Development Board of Madagascar » na EDBM.

I Madagasikara avokoa no mitazona ny 27% ny tsenan’ny jirofo ary nahatratra 40.000 taonina ny vokatra jirofo naondrantsika nandritry ny taom-panondranana 2022 izay nampiditra vola mitentina 224,7 tapitrisa dolara, hoy ny fanazavana. Manana mpamokatra maherin’ny 18.000 isa sy velaran-tany voavoly mirefy 70.000 hektara isika izay miparitaka amin’iny ilany avaratra hatrany atsimo iny. Ny 90%n’ny vokatra dia avy any Analanjirofo avokoa. Miondrana mankany Inde, Indonezia, Singapour ny vokatra jirofo vokarin’i Madagasikara ary ampiasain’ireo indostria mpamokatra fanafody hanatsarany ny sehatry ny fahasalamana, havadika ho lohamenaka na « huiles essentielles » na avadika vovoka izany, araka ny voalazan’ny EDBM hatrany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT