Nidina hatrany amin’ny 30% ny vidin’ny solika teo amin’ny tsena iraisam-pienena omaly , raha 50 dolara ny 1 barila tamin’ny volana febroary dia tafiditra
hatrany amin’ny ny 30,88 dolara izany omaly.Anton’io moa ny fihenan’ny fanjifana noho ny aretina Coronavirus .Etsy ankilan’izay dia manomboka mitady seham-pihariana hafa amin’izao fotoana izao ireo firenena manankarena solika. Ity farany izay sokajiana ho harena tsy afaka havaozina sy manam-pahataperana ny solikaary fotoana kely sy voafetra ihany ny ananan’izao tontolo izao azy. Mahakasika izany indrindra dia efa mandray fepetra ny any Koweit sy Arabie Saoudite. Manomboka mijery zavatra hafa hampandrosoana ny toekareny izy ireo ary manao ezaka mafy amin’ny fiampitana haingana amin’ny angovo azo avaozina. I Dubai moa dia iaraha-mahalala fa nilofo mafy tamin’ny sehatra fizahan-tany ary tafavoaka mihitsy satria niteraka harena be ho azy indray io sehatra io. rah any eto Madagasikara dia efa mampikolay hatrany ny maro hatreto ny didin-tsolika satria tsy misy mihitsy ny fifaninanana amin’ireo mpamatsy ny solika izay mifanaraka mivarotra mitovy sy lafo hatrany. Efa misy ny fanentanana ny amin’ny tokony hampiroboroboana sy hitodiana amin’ireo angovo azo avaozina sy tsy mety tapitra tahaka ny masoandro, ny riovotra ary ny rano izay ananan’ny firenena Malagasy. Hatreto anefa dia vitsy hatrany ny miroso sy resy lahatra ny amin’ny fampiasana ny angovo azo avaozina. Ankoatr’izay dia tokony hiezaka mitrandraka sehatra hafa mba ho tombony ho amin’ny firenena i Madagasikara tahaka ireo firenena manankarena solika izay mahafantatra fa ho lany sy mety ritra izany atsy ho atsy. Mila mandray lesona i Madagasikara ny amin’ny sehatra fambolena izay ilofosana mafy nefa hatreto tsy mahatafavoaka.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.