Toekarena

Firaisakinan’ny terak’Ibara Mitaky fampandrosoana amin’ny filoha vaovao


  • Sabotsy 19 Janoary 2019

Tahaka ny fikambanan’ny faritra rehetra dia nanatanteraka fifampiarahabana nahatrarana ny taona 2019 ihany koa ny Firaisakinan’ny terak’ibara tetsy Ampefioha ny alakamisy 17 janoary lasa teo.

 

 

 Tahaka ny rehetra dia manana ny vina napetrany ihany koa ny Firaisakinan’ny terak’ibara (FITIBA) mba hitondra fampandrosoana ho lovain-jafy sy tsy mitanila. Inoan’izy ireo fa voaray any amin’ny filoha ny hetaheta rehetra ary indrindra ny ezaka rehetra tokony hatao .Amin’izany rehetra izany mantsy dia tsy tokony hisy intsony ny zanakikalahafa amin’ny sehatra fampandrosoana. Manankarena ny FITIBA na arak’olona na araka harena voajanahary kanefa faritra tratra aoriana sy sahirana ka izany no anairany ity filoham-pirenena vaovao miaraka amin’ny vina nataony ity. Tahaka ny any amin’ny faritra rehetra dia nampaneno lakolosy izy ireo ny amin’ny tsy fandriampahalemana sy ny tsy fisian’ny asa ary ny fitotongan’ny fahaiza-miaina izay mampikoroso fahana ny firenena. Maro be  ny vina sy velirano nataon’ny filoham-pirenena ka rariny sy hitsiny raha mamerina sy miandry ireny ny vahoaka miaina anty fahantrana.

Tsirinasolo

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT