Toekarena

Fiovaovan’ny sandam-bola Olana goavana sedrain’ny orinasa Malagasy


  • Sabotsy 23 Jona 2018

Anisan’ny olana goavana sedrain’ireo orinasa eto amintsika izay mety hampitotongana azy ireny mihitsy ny fiovaovan’ny sandam-bola Malagasy.

Saika miankina amin’io sandam-bola io avokoa mantsy ny fiainan’ny orinasa, hoy ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny banky BNI, antony nanosika azy ireo  hampitombo ho 14 % ny fampindramam-bola ny orinasa Malagasy nanomboka tamin’ny taon-dasa. Afaka mividy sy mivarotra vola vahiny ao aminy ireo orinasa miara-miasa aminy, izay efa tsy tambo isaina intsony ankehitriny. Anisan’ny mandray anjara amin’ny Salon de l’Industrie de Madagascar tanterahina eny amin’ny Forello Expo Tanjombato nanomboka omaly ny banky BNI. Ankoatra ny maha mpanohana ofisialy azy ireo dia nandray anjara tamin’ny fananganana ny tranoheva ihany koa ity banky iray ity. Saika hita eny an-toerana avokoa moa ireo karazana tolotra omeny ny mpanjifa isan-tsokajiny mandritra ny efatra andro.

 

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT