Fiombonan'antoky ny fanjakàna

malagasy amin’ny sinoa Faty antoka tanteraka no hita amin'ilay orinasa


  • Alarobia 06 Aogositra 2025

Maherin’ny 30% ny petrabolan’ny fanjakàna malagasy ao amin’ny orinasa SMATP

na «Société sino-malagasy de travaux publics», izany hoe ny orinasa misahana ny asa vaventy iarahan’ny fanjakàna malagasy miombon’antoka amin’ny sinoa, hoy ny fampitàm-baovao avy eo anivon’ny minisiteran’ny toekarena sy fitantanam-bola. Faty antoka tanteraka anefa no hita amin’izao fotoana izao, hoy ny voalaza, ankoatran’ny tsy fahombiazan’ny fitantanana tato anatin’ny taona maro. Noho izay indrindra dia nanatanteraka fivoriana omaly ny minisiteran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola na MEF, miaraka amin’ny minisiteran'ny asa vaventy, minisiteran'ny raharaham-bahiny, ny PCA SMATP, ary ny governoran'ny faritra Analamanga, izay mitarika ny filankevim-pitantanan’ity orinasa misehatra amin'ny asa vaventy ity ho fanarenana izany rehetra izany. Mandray anjara lehibe amin’ny famolavolana ity fanarenana ity araka izany ny minisiteran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola ho fiantohana ny mangarahara sy ny fahitsiana amin’ny fanatanterahana. Etsy andaniny, naneho fahavononana hanohana amin’ny alalan’ny fanomezana fitaovana tekinika ny fanjakàna sinoa ka efa misy fiaraha-miasa akaiky eo amin’ny MEF, MTP, MAE, PCA SMATP ary ny masoivoho sinoa eto Madagasikara hanatanteraka izany fanampiana izany. Paikady lavitra ezaka no tanjona amin’ity fanarenana ity dia ny famelomana orinasa stratejika, fanatsaràna ny fitantanana, fanesorana ny tsy fahombiazana ary fanavaozana ny rafitra, hoy hatrany ny fampitàm-baovao voaray.
Nangonin’i J. Mirija 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT