Fiomanana handray mpizahatany 1 tapitrisa

Hofanina ho matihanina hatrany ireo mpisehatra


  • Talata 26 Novambra 2024

Notanterahana omaly teny amin’ny HAVANA hôtel Ambohidahy ny atrikasa sy fiofanana nanaovana jery todika

hijerena ny ho avy mikasika ny fampianarana teknika sy ny akademika manodidina ny ho avin’ny fizahantany sy ny asa tànana, ary ny tontolon’ny fandrahoantsakafo na ny « restauration ». « Araka ny politika ankampoben’ny Fanjakana, dia mametraka ho zava-dehibe ny maha olona. Ny Minisiteran’ny fizahantany sy ny asa tanana tsy maintsy mametraka ho zava-dehibe ny fiofanana eo anatrehan’ny tanjona hanatratra mpizahatany 1000 000 isan-taona », hoy ny Minisitra Viviane Dewa. Miara-miasa amin’io ny Minisiteran’ny fampianarana ambony, fampianarana teknika,… Arindra aty ambany miainga aty amin’ny CAP, BEAP hatrany amin’ny sehatra ambony mba haha matihanina ireo tanora sy mpisehatra ara-pizahantany, mba hanatsarana ny kalitaon’ny fandraisam-bahiny eto amintsika, mba hametraka fahatsiarovana tsara ny fitsidihany an’i Madagasikara, hoy hatrany ny minisitra. Nomarihiny fa mbola betsaka no lesoka, mbola vitsy ny afaka miditra amin’ny sehatry ny fianarana sy fiofanana noho ny ara-bola, noho ny toerana voafetra, ny tsy fahafahana ho an’ny any amin’ny faritra,… Tanjon’ny Minisitera noho izany ny hanaparitaka ny fiofanana any amin’ny Faritra 24 mba hitovian’ny rehetra lanja, indrindra ny toerana be mpizahatany. Efa betsaka ny fiofanana niarahana tamin’ny Miatrika, FMFP efa mpiara-miombon’antoka, ny OIF izay vao avy nifanao sonia tamin’ny Minisitera mba hanampiana hatrany ireo fiofanana, ny Artisans sans frontière manofana any amin’ny faritra Itasy, ny PNUD, ny FID,… izay mitondra tan-tsoroka na amin’ny ara-pizahantany na amin’ny asa tànana. Ny atrikasa farany niarahan’ny besinimaro dia ny taona 2015 nandritra ny ITM andiany faha-4 ka ny zavatra andrasana amin’ity dia ny hahafahana mahatratra ny fandraisana mahafa-po ireo mpitsidika 1000 000 andrasantsika afaka 3 taona, ny hahafahana mandray ireo mpampianatra mba ho tena matihanina, ny hahafahana mampiasa ireo vola ampiasain’ireo mpamatsy vola mba hahazoana ireo vokatra ireo, hoy kosa ny PCA an’ny PCA CONFORTH Atoa Alain Rajaonah nanamafy ny maha zava-dehibe ny atrikasa.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT