Toekarena

Fiofanana ara-pandraharahana “Sahia manova” Mizara ny traikefany i Erick Rajaonary


  • Alakamisy 03 Mey 2018

Tontosa tamina toerana miisa 7 teto Madagasikara, dia i Fianarantsoa, Toliara, Antsiranana, Toamasina, Mahajanga, Antsirabe ary Antananarivo nanomboka ny 23 aprily ary nifarana ny 28 aprily teo ny fanofanana momba ny asa fandraharahana nosalorana ny anarana hoe « Sahia Manova ».

Ny mpandraharaha Erick Rajaonary, niara-niasa tamin’ny sekoly ambony IMGAM no nikarakara azy io. Tanora mihoatra ny 18 taona hatrany amin’ny 2500 no nisoratra anarana. « Mila io fiofanana sy tantsoroka io ireo tanora izay ho mpandraharaha atsy ho atsy,  ka antony nanolorako azy satria tena ain-dehibe sy iankinan’ny fampandrosoana ara-toekarena ny sehatra tsy miankina », hoy i Erick Rajaonary. Nisy ny fanolorana taratasy fanamarinana ny nahavitana io fiofanana io ho an’ireo tanora nandray anjara. Natao tao amin’ny IKM Antsahavola sy ny AFT Andavamamba ny lanonana. Mahatratra 400 000 isan-taona ireo tanora miditra eo amin’ny sehatry ny asa. Misy ny manana tetikasa, saingy tsenain’ny olana toy ny famatsiam-bola, fidangan’ny zana-bola alain’ny banky (18% hatramin’ny 20%)  ,... Vahaolana voalohany ilaina amin’ny fananganana orinasa ny fahafahana manana famatsiam-bola mahaleotena. Tantsoroka lehibe ity fiofanana “Sahia miova” ity. Anisan’ny nijoro vavolombelona tao Fianarantsoa Atoa Rasolonjatovo Antoine Emmanuela, 57 taona. Niara-niatrika taminy teo ny zanany vavy. Efa manana ivontoeram-piompiana kely izy ireo amin’izao, ka mihevitra ny hanitatra bebe kokoa ny ambaindainy sy hiditra amin’ny sehatra matihanina noho ny traikefa notovozina tamin’ny “Sahia manova”. Ho an’ny eto Antananarivo, hatao ao amin’ny IKM Antsahavola anio alakamisy 3 mey sy rahampitso zoma 4 mey ny fiofanana saika hatao tao amin’ny tranompokonolona Analakely ny 23 aprily teo.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT