Hampiasa vola 10 miliara dolara eto Madagasikara ny Group TSINGSHAN
Manangasanga ny fahatongavan’ny orinasa goavana isan’ny matanjaka indrindra eto ambony tany, hanao fitrandrahana sy fanodidina indostrialy eto Madagasikara. Hatramin’ny Desambra 2025, niditra an-tsehatra ny Group TSINGSHAN orinasa goavana eran-tany naorin’Atoa M. Xiang Guanga, nifampiraharaha tamin’ny Fitondram-panjakana Malagasy, nifampidinika ny tetikasa goavana fananganana Parc industriel international eto Madagasikara. Ity no heverina ho Zone Économique Spéciale (ZES) voalohany eto amin’ny firenena sy goavana indrindra aty amin’ny ranomasina Indianina. Orinasa sangany amin’ny « Industrie métallurgique » sy « batterie électrique » ; mpamatsy maneran-tany amin’ny vy sy batterie, manampy amin’ny fanovana ara-angovo na « transition énergétique mondiale.». Hampiasa vola hatrany amin’ny 10 miliara dolara ny TSINGSHAN, izay hivelatra amin’ny velaran-tany 50 000Ha any amin’ny faritra Atsimo Andrefana. Hitrandraka acier inoxydable, titanium, aluminium akora fanamboarana batterie lithium,… Toerana maro no hanaovana tetikasam-pindrahana, toy ny Chrome any akaikin’Andriamena, bauxite any akaikin’i Manantenona, Charbon any Sakoa,… ary ao amin’ity Parc Industriel ity ny fanodinana. Hametraka tambajotrana fotodrafitrasa ahitana seranan-tsambo, làlana, lalamby,… Isan’ny fanamby goavana apetrany ihany koa ny famokarana angovo hatrany amin’ny 4500MW raha 1000MW eo raha be indrindra ny eto Madagasikara manontolo amin’izao fotoana izao. Hanampy amin’ny fanofanana sy fananganana fahaiza-manao vaovao ho an’ny Malagasy. Tsy maintsy jerena ny tombotsoa ara-piarahamonina sy ara-toekarena, ny ara-tontolo iainana,… mba tena hirindra tsara, ary tanjona lehibe ny hametraka fiaraha-miasa anatin’ny « win-win », ka tena hisy akony sy fampandrosoana lehibe ara-toekerana sy harin-karena faobe (PIB) eto Madagasikara ny fahatongavan’ny TSINGSHAN. « Hatao eto Madagasikara daholo ny fanodinana, ka rahampitso isika dia ho Firenena mpamokatra sy mpamatsy eran-tany, mba tena hisy akony ara-toekarena ! Izay mampiavaka an’i Tsingshan amin’ny tetikasa fitrandrahana harena an-kibon’ny tany rehetra », hoy Atoa Freddy RANDRIANASOLO Anatin’ny komitim-pitantanan’ny Tsingshan rantsana Madagasikara. 8 taona ny voalohany tao Indonezia, ary 5 taona ny faharoa, ka tsy hiandry 10 na 20 taona ny eto Madaagasikara raha ny nambarany.
GOAVANA ERAN-TANY, MANARAKA NY FENITRA IRAISAM-PIRENENA
Efa manana toerana manan-danja maneran-tany, faha-247 amin’ny 500 eo amin’ny Global Fortune 2025, manana rantsana na filiales maherin’ny 700 manerana ny kaontinanta, ary mitantana mpiasa hatrany amin’ny 200 000 ao amin’ny parcs industriels Morowali sy Weda Bay any Indonezia, izay efa notsidihan’ny manam-pahefana Malagasy ifotony. Amina miliara dolara USD no efa nampiasainy amin’ireo tetikasa indostrialy. Tamin’ny Novambra 2025, nanao fifanarahana stratejika ny TSINGSHAN sy ny ONUDI (Organisation des Nations Unies pour le Développement Industriel), nametrahana ny tanjona fampandrosoana maharitra, fampiasam-bola tompon’andraikitra, fifindran’ny teknolojia, fiarovana ny tontolo iainana ary fanajana ny fenitra iraisam-pirenena sy ny « écosystème industriel », ka tsy voafetra amin’ny orinasa fotsiny fa manangana rafitra ara-tsosialy sy ara-toekarena manodidina. « Nisy ny fitsidihana natao tamin’ireo parcs lehibe roa any Indonezia, ka hita fa tena azo atao eto Madagasikara, nojerena ny mety ho tombotsoan’i Madagasikara sy ny vahoaka Malagasy.Tsapa fa azo atao tsara sy hitondra tombotsoa, ka ampahafantarana ny vahoaka Malagasy fa hiara-hiasa amin’izy ireo. Raha ny niainana tao Indonesie, herintaona monja dia afaka namokatra monja, herintaona afaka namokatra « plaque » avy amin’ny alliminium,… Mitombo miandalana. Miankina amin’ny fifanarahana, fa mbola mijery ny teknisianina mba tsy hahavoambaka antsika na « win-win ». Ny azo antoka dia tsy hanimba antsika, tsy hikitika toerana efa misy olona mipetraka,… », hoy ny mpanolo-tsaina ambonin’ny Fiadidian’ny fanavaozana Kolonely Gervais ANDRIAMIARISOA.
ENCADRE
Nanome 650 000 000 Ariary ho setrin’ny antso nataon’ny Fiadidiana ny Repoblika ho fanohanana ny traboina moa ny TSINGSHAN omaly. Ho fanamafisana ny fifandraisana, hisy dia faharoa any Indonezia izay handraisana delegasiona malagasy: mpanao gazety, mpanara-maso ary olom-pirenena, hitsidika ny zava-bitan’ny TSINGSHAN.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.