Toekarena

Findramam-bola madinika Maro no tsy mahatafaverina


  • Talata 19 Desambra 2017

Tsy misy afa tsy 5% amin’izao fotoana izao ny tahan’ny mpanjifan’ny banky eto Madagasikara, raha toa ka efa tafakatra hatrany amin’ny 29% kosa ny an’ireo orinasa na ivontoerana miantsehatra amin’ireny fampindramam-bola madinika ireny.

  Efa maherin’ny 1 tapitrisa ireo mpanjifan’ny mpampindram-bola madinika manerana ny Nosy. Anisan’ny olana sedrain’ireo mpampindram-bola madinika anefa ny tsy fisian’ny rafitra mazava mifehy azy ireo na dia efa misy aza ny fanaraha-maso ataon’ny Banky Foibe. Maro ny raharaham-pitsarana momba ny findramam-bola amin’izao fotoana raha ny fanamarihan’ireo mpandraharaha misehatra amin’izany. Ny raharaha rehefa tsy mamerina vola ny mpindrana na misy ny fanodinkodinam-bola dia tsy maintsy mandeha eny amin’ny Fitsarana, hoy Rajaonarison Serge, isan’ny mpikambana ao anatin’ny Fikambananan’ireo mpampindram-bola madinika na ny APMF. Tsy afaka ny hanao didy ho azy irery izy irery ny rafitra mpampindram-bola madinika, fa tsy maintsy ny rafitra na natokana ho amin’izany, dia ny fitsarana no manao azy. Nisy atrik’asa nataon’ny mpiantsehatra ny faran’ny herinandro teo, ary nifanaraka izy ireo fa hisy ny tondro zotra nifanarahana mba ho lasitra ampiasain’ny tsirairay any amin’ny faritra iasany avy rehefa tsy maintsy hiditra amin’ny sehatry ny fitsarana ny raharaha. Hiara-hiasa amin’ny sekoly manofana ho mpitsara sy ny OPJ (Officier de police judiciaire) eo anivon’ny mpitandro filaminana ireo mpisehatra amin’ny fampindramam-bola madinika amin’izany. Porofon’ny fahantran’ny Malagasy sy ny tsy fahampian’ny hoenti-manana eo am-pelantanany intsony ny fitomboan’ny findramam-bola ataony, saingy mihamaro izany izao no tsy mahatafaverina ny volany nindraminy. Antony goavana mety hahatonga izany ny fitotonganan’ny seha-pihariana rehetra, ka zary tsy mahaleo ny sarany intsony ny vidiny amin’ny asa fihariana hatao. Toy ny fihariana rehetra, dia misy tombony halain’ny mpampindram-bola madinika, kanefa ny sehatra hampiasan’ny mpindrana azy tsy mandeha amin’ny laoniny, ka dia tafidi-kizo ara-bakiteny. Ny politikan’ny fananan’asa eto amintsika koa tsy tena misy aryy hatrany amin’ny 5 hetsy isan-taona ny tanora mitady asa, saingy tsy maharototra ny mpitondra.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT