Toekarena

Findramam-bola eny amin’ny banky Manahirana ny orinasa madinika sy salantsalany


  • Alatsinainy 06 Mey 2019

Efa saika miroso tsikelikely amin’ny findramam-bola avokoa ny Malagasy amin’izao fotoana izao mba hanohanana ny sehatry ny asany sy ny fihariana ataony.

 

 Nanambara ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Sipem Banque, Atoa Thierry Rajaona fa sahirana ny orinasa madinika sy salantsalany (PME) amin’izao fotoana izao satria tsy takatry ny orinasa mpampindram-bola madinika (microfinance) nefa voailika ihany koa eny amin’ny banky lehibe. Izany anefa no antom-pisian’ny Sipem Banque ankehitriny izay nanatanteraka ny fihaonambe sy ny fankatoavana ny kaonty 2018 omaly zoma 3 mey tetsy amin’ny Tranoben’ny Varotra sy Indostria Antaninarenina. Raha tsiahivina dia fampindramam-bola sy fametraham-bola ihany no nataon’ny SIPEM tany am-boalohany. Amin’izao anefa tena efa manao ny asa rehetra ataon’ny banky izy ireo ary nanambara mazava fa tena Banky ho an’ny Malagasy satria mpandraharaha sy orinasa Malagasy ny manana petra-bola ao. Manao ny fikirakirana ny taratasim-bola (chèques ) sy ny karatry ny banky, ny fifanakalozana fanaon’ny banky tahaka ny virement sy ny fandraisana ny vola avy any ivelany ary ny fikirakirana vola anaty finday ny Sipem Banque. Ity Banky ity ihany koa no hany tantanana Malagasy amin’ireo Banky miisa 11 eto Madagasikara ary na ny fikirakirana teknolojia (système d’information) mifandraika amin’ny asan’izy ireo aza dia vita eto an-toerana ary Malagasy no nanamboatra izany. Ahitana ny sokajim-pihariana rehetra ity banky ity ary nanao fanamby hanosika tanteraka ireo orinasa madinika sy salantsalany eto Madagasikara.

Tsirinasolo

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT