Toekarena

Findramam-bola amin’ny BFM Notazonina ho 10,10% ny zana-bola


  • Alarobia 08 Febroary 2023

Nivory ara-potoana voalohany ho an’ny taona 2023 ireo Komity ara-bolan’ny Banky Foiben’i Madagasikara na ny BFM omaly 7 febroary,

telo andro taorian’ny fianianan’ny Governora vaovao Atoa Aivo Handritiana Andrianarivelo izay natao ny 4 febroary lasa teo. Isan’ny fanapahan-kevitra noraisina tao anatin’izany ny taorian’ny fandinihana ny zava-misy ara-toekarena eto an-toerana sy iraisam-pirenena no nanapahan’ny BFM fa, tazonina ho 8,10% ny “taux des facilities de depot” na ny tahan’ny zana-bola, izay ireo banky ara-barotra sy banky ara-bola tsotra moa no tena mpametraka vola ao amin’ny ankampobeny. 10,10% kosa ny “taux des faciliés de prêt marginal” na ny zana-bola amin’ny findramam-bola. Andrasana kosa ny politika ara-bola hoentin’ny BFM eo anatrehan’ny fiantraikan’ny sondro-bidim-piainana, ka ny volana manaraka eo dia hatokana ho fotoana hanaraha-maso sy hijerena akaiky izany. Etsy andaniny, na misy aza io fitazonan’ny BFM ny taha amin’ny fampindramana na fametrahana vola ao aminy io, dia efa naneho ny ahiahiny kosa ireo banky ara-barotra sy banky ara-bola izay naneho fa ambony loatra ny taha amin’ny findramam-bola amin’ny Banky BFM ary nanamarika fa tsy nitsaha-niakatra ny taha alaina amin’ny findramam-bola na ao anatin’ny 24 ora aza. 7,2% io ny novambra 2021 no niakatra 8,9% ny aogositra 2022 ary io 10,10% io ankehitriny izay nanomboka ny oktobra 2022. Io no heverina fa isan’ny mampidanana ny tahan’ny zana-bola amin’ny findramam-bola amin’ireo banky eto amintsika izay tafiakatra hatrany amin’ny 15 hatramin’ny 18%, raha toa ka manodidina ny 5% ny any amin’ny firenen-kafa, kanefa ny zana-bola amin’ny fametraham-bola ambany kokoa. Efa tsy azo hanoharana noho izany vao miditra amin’ny findramam-bola ny mpanjifa sy ny mpandraharaha ara-toekerana samihafa.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Harin-karena faobe
  • Zoma 27 Novambra 2026

Niakatra 0,3% na nitaha ny

  • Toekarena,
  • Alarobia 25 Novambra 2026

diplaomasia, jeopolitika

  • Faha-100 taonan’ny
  • Alatsinainy 23 Novambra 2026

vola taratasy voalohany

  • Toekarena
  • Zoma 20 Novambra 2026

FANOMEZANA HERY ARA-TOEKARENA NY VEHIVAVY

  • Angovo azo avy
  • Alakamisy 12 Novambra 2026

amin'ny masoandro

  • Hakarina ny
  • Alarobia 11 Novambra 2026

12% ny fampidiran-ketra

Hijery ny tohiny
FTT