Toekarena

Findramam-bola amin’ny Banky iraisam-pirenena Mitaky mangaraharaha ara-pitantana ny depiote


  • Alarobia 04 Aogositra 2021

Volavolan-dalàna 5 no holanian’ny parelemanta ao anatin’ny fivoriana tsy ara-potoana nanomboka omaly. Miompana amin’ilay findramam-bola 490 tapitrisa euros tamin’ny Banky Iraisam-pirenena.

 Mitsinjara mazava toy izao: volavolan-dalàna fanomezana alalana ny fankatoavana ny fifanarahana fampindramam-bola entina hamatsiana ny tetikasa “Fahatezan’ny sehatra mahakasika ny làlana eto Madagasikara “, nosoniavin’ny Repoblikan’i Madagasikara sy ny Fikambanana Iraisam-pirenena ho an’ny Fampandrosoana (IDA) tamin’ny 21 jolay 2021; Volavolan-dalàna manome alalana ny fankatoavana ny fifanarahana fampindramam-bola entina hamatsiana ny tetikasa fanovàna ho an’ny fitomboan’ny toe-karena iaraha-misalahy (PIC3), nosoniavin’ny Repoblikan’i Madagasikara sy ny Fikambanana Iraisam-pirenena ho an’ny Fampandrosoana (IDA) tamin’ny 21 jolay 2021; Volavolan-dalàna manome alalana ny fankatoavana ny fifanarahana fampindramam-bola entina hamatsiana ny dingana faharoan’ny tetikasa fanatsarana ny fisitrahana angovo sy ny fotodrafitr’asa hanaovan-dàlana anatin’ny Tendro tambatra ho an’ny fitomboan-karena (andiany faharoa miompana amin’ny angovo) (Pôles Intégrés de Croissance ) (PIC 2-énergie), nosoniavin’ny Repoblikan’i Madagasikara sy ny tahirim-bolan’ny OPEP ho an’ny fampandrosoana Iraisam-pirenena (OFID) tamin’ny 4 Martsa 2021; Volavolan-dalàna manome alalana ny fankatoavana ny fifanarahana fampindramam-bola entina hamatsiana ny tetik’asa tohana ho an’ny fametrahana Indostria sy ho an’ny sehatra ara-bola (PAISF), nosoniavin’ny Repoblikan’i Madagasikara sy ny tahirim-bola Afrikanina ho an’ny fampandrosoana, tamin’ny 12 novambra 2020; Volavolan-dalàna manangana ny vatsim-

Takian’ny solombavambahoaka ny hampiasana azy ao anatin’ny mangarahara, hoy ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena. Tokony hiantefa marina amin’ny vahoaka na any amin’ny kitapo fitahirizina, ny amin’ny fampiasana izany vola izany. Amin’ny maha fampandrosoana dia tokony ho hita hatrany amin’ny isan-tokantrano, hoy izy.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT