Findramam-bola amin’ny banky 2023

Betsaka ny fahasarotana ho an’ny orinasa Malagasy


  • Alakamisy 28 Desambra 2023

Ny 79,4% amin’ireo banky eto Madagasikara no nilaza fa nandà teo amin’ny 0 hatramin’ny 25%

tamin’ny fangatahana findramam-bola nandritra ny telo volana fahatelon’ity taona 2023 ity raha ny tatitry ny fampahalalam-baovao iray. Ireo orinasa lehibe no tena voakasik’io fandavana io, izay manodidina ny 23,5% amin’ireo banky tao anatin’io elanelana 0 hatramin’ny 25% tamin’ny fandavana io dia nandà ny findramam-bola nataon’ireo orinasa lehibe. Niainga tamin’ny fanadihadian’ny Banky Foiben’i Madagasikara tamin’ny tontolon’ny banky eto amintsika moa ireo antontan’isa ireo, raha ny fanamarihana. Ireo 79,4% tamin’ireo banky izay nandà ny 0 hatramin’ny 25% tamin’ny fangatahana voarahiny ireo, dia ny 20,6% taminy no nanda ny dosien’ireo orinasa salantsalany ; 26,6% ihany koa no nandà ny fangatahan’ireo orinasa madinika na « petites entrepries » ; 14,7% kosa no nandà ny dosien’ireo orinasa tena madinika na « microentreprises ». Araka io tatitra io ihany dia ny 16, 5% tamin’ireo banky no nandà ny 26 hatramin’ny 50% amin’ireo fangatahana findramam-bola voarainy, ka ny « microentreprises » sy orinasa madinika na « petites entreprises »no voakasiky ny fandavana, izay teo amin’ny 5,9% amin’ny banky no nanao fandavana ; ary 2,9% kosa ho an’ny orinasa lehibe. Teo amin’ny 2,9% amin’ny banky eto an-toerana kosa no nandà 51 hatramin’ny 75% ny dosie ho an’ireo orinasa mpindram-bola. Saika voakasik’io avokoa ireo orinasa tena madinika izay mampiasa olona latsaky ny folo.
HENJANA NY MINDRAM-BOLA ETO MADAGASIKARA
Henjakenjana ny findramam-bola eto Madagasikara noho ny fahasarotana samihafa, fa ny tena henjana ny tahan’ny zana-bola tena ambony dia ambony. Mety manodidina ny 10% hatrany amin’ny 20% any ny zana-bola alain’ny banky, izay tena tsy ahafahan’ny mpandraharaha sy ny orinasa miaina, izay mety sakana na mampitarazoka ny fivoarana ara-toekarena. Any ivelany manodidina 4 na 5% ny zana-bola ahafahan’ny orinasa sy ny seha-pihariana mivoatra sy mivelatra, fa eto amintsika tena tena vesatra be ny famerenana ny volan’ny banky miaraka amin’ny tombony mihoampampana izay vao hitady tombony ao anatin’ny fandraharahana sy fihariana. Ny eto amintsika rahateo efa novaina banky tsy miankina avokoa noho ny «privatisation ». Nisy ohatra tany aloha ny BTM na Bankin'ny Tantsaha Mpamokatra izay efa lasan’ny tsy miankina ankehitriny ka lojika raha tsy afa-miditra amin’ny famokarana matihanina kokoa ny tantsaha satria tsy ampy ny hoenti-manana, sarotra ny mindram-bola amin’ny banky hanatsarana ny fihariana sy fandraharahana,…
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT