Toekarena

Financial Africa Awards Ylias Akbaraly no voafidy ho “CEO de l’annéee 2021”


  • Talata 21 Desambra 2021

Azon’i Ylias Akabaraly tompon’ny Redland, Groupe Sipromad, Thomson Broadcast ny amboara maha « CEO de l’année 2021»

 na mpandraharaha mpitantana tompona orinasa mendrika indrindra ho an’ny taona 2021 tao anatin’ny « Financial Africa Awards » na fankasitrahana ireo mpandraharaha sy mpampiasa vola heverina ho mitondra fanovana an’i Afrika, izay miisa 100 no voatsonga tao anatin’io. Mitsinjara amina sehatra sy lohahevitra 17 ireo 100 ireo, toy ny “Financier de l’année”, “économiste de l’année”, “banquier de l’année”, “CEO de l’année”,…. Marihina fa ankoatra ny eto Madagasikara dia mielim-pantrana any Afrika, Emirats, Asie, Etazonia, France,… ny fandraharahan’I Ylias Akbaraly ka voalaza fa hahatratra 7000 eo ny asa mivantana sy ankolaka avy aminy ny taona 2022. Izy no voasafidin’ny mpitsara tao anatin’ny Financial Afrik sy ny safidy nataon’ny besinimaro ho an’ny sokajy “CEO de l’année”. I Ylias Akbaraly irery ihany koa no hany mpandraharaha avy eto Madagasikara tafiditra tao anatin’io, nifaninana tamin’ireo mpandraharaha sy mpanefoefo malaza aty Afrika. Ny 17 desambra teo tany Nouakchott any Mauritanie no natao ny famaranana, izay nisiana fandraisan’anjaran’ireo manam-pahaizana, mpitantana ambony, banky, trano fiantohana, rafi-panjakana samihafa, PDG sy mpanapa-kevitra maro aty Afrika sy ivelan’I Afrika. Fotoana namoahana ny anaran’ireo mpandraharaha 100 voalohany mitondra fanovana an’I Afrika io, lanonana teo ambany fiahian’I Mohamed Ould Cheikh El Ghazouani Filohan’ny Repoblika Islamikan’I Mauritanie, nahitana olobe 200 amin’ny tontolon’ny toekarena ny ara-bola, ny fandraharahana, ary mahatratra 1000 kosa no nisoratra anarana nandray anjara tamin’ny adihevitra ampitain-davitra. Andiany faha-4 tamin’ny Financial Africa Awards moa ity ka lohahevitra navoitra ny hoe: « l’Afrique en 2050 ».

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT