FIM andiany faha-27

Hampitraka indray ny toekaren’i Madagasikara


  • Alakamisy 29 Janoary 2026

Mila mitraka ny toe-karentsika eto

Madagasikara, taorian’ireny tranga niseho teto amin’ny firenena ny faraparan’ny taona 2025 ireny hoy Atoa Hery Andrianasolo, tompon’andraikitra ara-barotra ao amin’ny Madavision. Iray amin’ireo « vitrine » ekonomika iray lehibe indrindra eto Madagasikara, ahafahan’ireo orinasa sy mpandraharaha mampiseho ny fahaiza-manaony, ny paikadin’ ny tolotra vaovao ary ny tanjona ho entin’izy ireo mamakivaky ny taona ny « Foire International de Madagascar » na FIM. «Madagascar en mouvement ». Io no lohahevitra ho entina mamakivaky ny « Foire International de Madagascar » na FIM, andiany faha-27 ary andiany faharoa karakarain’ny Madavision, tanterahana ny 7 hatramin’ny faha 10n’ ny volana Mey 2026 eny amin’ny Centre de conférences internationales na CCI Ivato.
SEHATRA MARO
Maro ny seha-pihariana ho hita mandritra io efatra andro io manomboka amin’ny Star-up ary tonga hatrany amin’ny indositria sy resaka ara-barotra hoy hatrany Atoa Hery Andrianasolo, ary hahazo sehatra manokana ny orinasa lehibe. Ankoatra ny resaka kaoferensa, ny fihaonana B to B,… izay tena ahafantarana ity foara ity ihany koa dia hampiavaka ny FIM 2026 ny fisihan’ny toerana manokana ho an’ny « recrutement » izay afaka sitrahan’ireo mpitsidika mitady asa. Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy nanomboka omaly alarobia 28 janoary 2026 moa ny fisoratana anarana ho an’ireo orinasa 350 maniry ny handray anjara amin’ity hetsika ara-toekarena ity ary ny 4 febroary 2026 manomboka amin’ny 10 ora etsy amin’ny Centell Antanimena no « réunion d’information » voalohany iarahana amin’izy ireo. Ankoatra ny FIM dia anisan’ny hetsika karakarain’ny Madavision amin’ity taona ity ny « Salon International de transports de la Logistique et Manutention », tanterahana ny 8 hatramin’ny 11 Jona 2026. Aorian’izay ny « Foire International de l’Agriculture » miaraka amin’ny « Festival de la Gastronomie », tanterahana ny faha 10 hatramin’ny 13 septambra 2026. Farany ny « Salon International de l’Habitat » tanterahana ny faha 22 hatramin’ny 25 ny volana oktobra 2026. Samy eny amin’ny CCI Ivato avokoa no hanatanterahana azy ireo.
LALAINA RAV
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT