FIM andiany faha-18

«Tafiditra ao anatin’ny vinan’ny diplaomasia ara-toekarena»


  • Zoma 24 Mey 2024

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly tetsy amin’ny Hazovato Expo Forello Tanjombato

ny andiany faha 18 amin’ny Foara iraisampirenena eto Madagasikara na FIM. Miisa 280 ireo orinasa mpamokatra nandray anjara tamin’ity andiany izay tsy hifarana raha tsy ny alahady 26 may izao ity, raha ny fampitam-baovao voaray. Nasaina manokana handray anjara ao anatin’izany moa ny firenena maorisianina ary nampahatsiahy ihany koa ny masoivohon’izy ireo, Marie Noëlle Françoise Labelle, nandritry ny fandraisam-pitenenany fa nitentina 42 tapitrisa Dolara ny taham-panondranana entana teo amin’ny Maorisy sy Madagasikara ho an’ny taona 2023 raha toa ka 33 tapitrisa izany ny taona 2019. Miisa 17 ireo orinasa vahiny mandray anjara amin’ity andiany ity. Maro ny vokatsoa azon’ireo orinasa malagasy ao anatin’izao hetsika izao, raha ny fanazavana hatrany, satria dia tsy mijanona eo amin’ny lafiny fampahafantarana ireo vokatra malagasy ihany izany fa mety hitohy amina fanorenana fiaraha-miasa amin’ireo orinasa vahiny sy iraisampirenena hafa. Mety hisitrahana fiaraha-miasa ihany koa amin’ireo mpiara-miombon’antoka marolafy mandray anjara amin’izao foara izao izany. Tafiditra ao anatin’ny vinan’ny diplaomasia ara-toekarena, hoy ny minisitry ny raharaham-bahiny malagasy, Rasata Rafaravavitafika, ny fampahafantarana ireo vokatra avy eto Madagasikara. Mampahafantatra ihany koa ireo toerana misy fizahantany eto Madagasikara, indrindra, manampy tosika amin’ny fisintomana vola vahiny eto Madagasikara, hoy hatrany ity minisitra ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT