Toekarena

FIM andiany faha 17 Ampirisihina hitsidika ny tanora


  • Zoma 12 Mey 2023

Tratra ny tanjona ho an’ny andro voalohan’ity Foara iraisampirenen’i Madagasikara ity, hoy ny isan’ny tomponandraikitra voalohan’ny FIM andiany faha 17 etsy amin’ny Hazovato Forello Tanjombato,

Gérard Le Loup, omaly. Ho ataonay tanjona ary ady mihitsy amin’ity andiany ity ny hahatomombana mpandraharaha, indrindra, tanora mahomby amin’ny fandraharahana ataony no sady miaro ny tontolo iainana, hoy izy. Nanomboka omaly ary hifarana ny alahady izao moa ny FIM andiany faha 17 eny Tanjombato. Miisa 250 ireo mpampiranty tonga ary 300 kosa ireo tranoheva mandray anjara, hoy ny tomponandraikitra amin’ny fikarakarana, Harilala Ramanantsoa. Ny tanora, hoy izy, no tena ampirisihina satria misokatra ho an’ny be sy ny maro izy ity ny sabotsy sy alahady. Manana anjara toerana lehibe amin’ny toekarena eto Madagasikara ny vehivavy. Manoloana ny fahasarotan’ny fiainana dia maro ankehitriny ny nisafidy handraharaha hanana ny orinasany manokana. Maro anefa ny mbola olana sedrain’ny vehivavy sy tanora. Sarotra eto amintsika na ny mihindram-bola any amin’ny banky na ny mitady mpiara-miombon’antoka. Ny sehatra tahaka itony dia ahafahan’izy ireo mampahafantatra amin’ny olona rehetra ny fahaiza-manaony. Antenainay, noho izany, fa ireo tanora miisa 50 mandray anjara amin’ity FIM ity dia tena ahita tombony ara-pandraharahana ivelarany eo amin’ny sehatra ara-barotra, hoy hatrany ny tenany. Isan’ny mandray anjara amin’ity hetsika ity koa moa ireo mpandraharaha vehivavy misolo tena ny faritra 14 mikambana anatin’ny vondron’ireo mpandraharaha vehivavy aty amin’ny ranomasimbe indianina izay tarihin’ny filohany Harilala Ramanantsoa, hoy hatrany ny fanamarihany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT