Toekarena

FIM andiany faha-13 Omena vahana manokana ny mpandraharaha vehivavy


  • Zoma 04 Mey 2018

Tanterahina nanomboka omaly etsy amin’ny zone Forello Expo Tanjombato haharitra efatra andro ilay « Foire International de Madagascar « andiany faha-13 karakarain’ny agence de communication la première ligne.

  Zava-dehibe ho an’ny fampiroboroboana ny fandraharahana ara-toekarena eto amintsika ny fisian’ny hetsika tahaka itony, raha araka ny fanazavan’ny minisitry ny varotra  Chabani Nourdine, indrindra fa ny fanomezan-danja ny vita Malagasy. Nandritra ny fanokafana ny hetsika omaly no nanambarany izany ka anisan’ny mahazo tombony manokana ireo  mpandraharaha vehivavy mivondrona ao anatin’ny Groupement des femmes entrepreneurs de Madagascar na ny GEFM. Na dia vao roa taona aza mantsy no nijoroan’ity fikambanam-behivavy iray ity teto amintsika dia efa marobe sahady ny zava-bitany, indrindra fa ny finiavan’ireo vehivavy Malagasy hanao zavatra izay marihina fa tena mahavita azy tokoa. Vonona ny hanampy azy ireo, araka izany, ny minisitera, indrindra fa ny famoahana ny entana vokarin’izy ireo mankany Etazonia sy Eoropa. Ny alahady ho avy izao moa no hifarana amim-pomba ofisialy ny hetsika ka ankoatra ny varotra fampirantiana maro isan-karazany dia hisy ihany koa ny famelabelaran-kevitra iarahana amin’ireo vehivavy mpandraharaha Malagasy. Tsiahivina fa anisan’ny mpanohana ofisialy ny FIM ny banky BNI. Misy ny lalao tombola karakarain’izy ireo ao amin’ny tranoheva mandritra izao hetsika izao entina hanomezana fahafaham-po ny mpanjifa. Toraka izany ny fampahafantarana ireo karazana tolotra misy ao aminy ho an’ny sokajin’olona rehetra, arahin’ny fihenam-bidy 5 % ho an’ireo izay manokatra kaonty vaovao.

Pati


 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT