Toekarena

FIM andiany faha-12 Hanome tolotra miavaka ny banky BNI


  • Zoma 19 Mey 2017

Nosokafana tamim-pomba ofisialy omaly alakamisy, haharitra efatra andro ilay Foara Iraisam-pirenena eto Madagasikara andiany faha-12 tontosaina eny amin’ny Forello Expo Tanjombato.

 Mpanohana ofisialy izany ny banky BNI Madagasikara izay manana tanjona hampandroso hatrany ny lafiny ara-toekarena eto amintsika. Ao amin’ny tranoheva laharana 90 B no misy azy. Ankoatra ny fampahafantaran’izy ireo ny vokatra misy ao aminy  dia miezaka manome fahafaham-po ny mpanjifa amin’ny alalan’ny “tombola”  ihany koa izy ireo izay mety hahazoana solosaina, tablette ary smartphone ho an’ireo tonga mitsidika ny tranohevany. Ny alahady hariva ho avy izao  no hatao ny fisarihana. Marihina moa fa miavaka amin’ireo tolotra omen’ity banky ity mandritra ny foara ny tolotra Credit Vina, tetikasan’olon-tsotra izay hahazoana ilay tolotra hahafahana mijery ny kaontim-bola maimaimpoana ao anatin’ny tranonkalan’ny banky. Nitombo hatrany amin’ny 22 % moa raha tsiahivina ny tahan’ireo olona nindram-bola tamin’ny banky BNI tamin’ny taona 2016 lasa teo.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT