Toekarena

Filohan’ny FIVMPAMA “Mila tosika ny enti-manana hanodinana ireo orinasa”


  • Alakamisy 04 Jona 2020

“Zava-dehibe ny fanambarana nataon` ny filoham-pirenena ny alahady teo mikasika ny fihaonan` ny sehatra tsy miankina amin` ity faran` ity herinandro ity.

 

 

 

Izao vao tena niresaka misimisy ny lafiny ara-toekarena amin` ity krizy ity” hoy Andrianavalomanana Razafiarison, filohan` ny fivondronan` ny mpandraharaha Malagasy (FIVPAMA). Hitodika kokoa amin`ny toekarena, ny olan` ny orinasa, ny resaka fanjifàna, ny famokarana ny fitondram-panjakana, hoy izy. Efa tombony ho an` ireo orinasa mpamokatra ny fepetra amin` ny fanitarana amin` ny telo ora ny fahazoana miasa. Andrasana fatratra io famoriana ny sehatra tsy miankina hitondra vahaolana olana satria tena efa sempotra ny toekarena. Raha tsy misy fandraisana fepetra haingana dia hitombo ny orinasa mikatona sy voatery mandefa mpiasa, araka ny nambarany hatrany. “Zava-dehibe io fihaonana mba handinihana ny fepetra haingana hahafahana manome tosika amin` ireo orinasa amin` ny famokarana sy hanome tosika amin` ny lafiny toekarena. Mihisatra ny toekarena noho ny fihenan` ny fanjifana sy famokarana”. Miandrandra io fihaonana io ny FIVPAMA. Mila resahina ny fanamorana ny findramam-bola mba hahafahana mahazo aina hampiodina ny orinasa sy hijerena ny fampidinana ny tahan` ny zana-bola amin`ny findraman-bola. Nomarihany mantsy fa ny enti-manana hanodinana ny orinasa mihitsy no ilàna fepetra haingana.

MIANDRANDRA NY CNaPS

Nisy ny fanampiana ara-bola omena ny mpiasa ho fanalefahana ny krizy ara-pahasalamana izay voarakitra ao anatin` ny “plan de mitigation” ka tsy iadiana hevitra intsony, hoy ny filohan` ny FIVPAMA. Ny eo anivon` ny CNaPS kosa no misy fandinihana amin` ny azo atao mikasika izy io. Marihana fa ny vola ao amin`ny CNaPS dia latsakemboka avy amin` ny mpampiasa sy ny mpiasa. Rariny raha miteny ny mpiasa hoe ao anatin` ny fahasahiranana izahay. Antenaina ny hisian` ny fanambarana ataon` ny CNaPS, hoy hatrany ny fanazavana.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT