Toekarena

Filohan’ny SMM Hogadraina fa manelingelina ?


  • Zoma 19 Mey 2017

Namoaka fanambarana ny Birao mpitantana ny Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara (SMM) omaly.

 Nivoitra tao fa mitovy ny rehetra eo anatrehan’ny lalàna. Manameloka tanteraka ny fanembantsembanana ny mpitsara amin’ny asany, indrindra fa amin’ny raharaha Claudine Razaimamonjy izy ireo. Notsiahivin’izy ireo fa ny fanjakana no efa nanao fanambarana ofisialy fa tsy raharaham-panjakana io fa raharaha tsotra, saingy iaraha-mahita ny fitsabatsabahan’ny mpitondra. Nanome baiko ho an’ny mpikamban’ny governemanta handray fepetra hentitra manoloana ny fanakorontanana na inona na inona toerana sy andraikitry ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier. Mitsimbadika ny rasa ankehitriny ka ny mpitsara ambony, dia ny filohan’ny sendikan’ny mpitsara eto Madagasikara (SMM) Faniry Ernaivo, indray no voalaza fa mety hohenjehina ara-pitsarana noho izy manao fanamparam-pahefana tamin’ny fitsirihana tampoka nataony teny amin’ny amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha ny alatsinainy 15 mey lasa teo, mba ho fanamarihana na eny an-toerana na tsia i Claudine Razaimamonjy. Nanana taratasy ara-dalàna avy amin’ny Tonian’ny fampanoavana ambony anefa ity mpitsara ambony ity, raha ny fanambarana nataony saingy asa fanakorontanana no handraisan’ny praiminisitra ny fihetsiny amin’izao fotoana izao. Inona no tsy hanatanterahana ny didy fampidirana am-ponja vonjimaika amin’izay tsy mifampitsabaka andraikitra ary avela malalaka ny fitsarana dia samy miandry am-pahendrena ny rehetra ? Any amin’ny fahefana mpanatanteraka no misy ny lehiben’ny governemanta Mahafaly Solonandrasana Olivier. Tsikaritra ho efa tsy mahatombin-tsiraka sy mitady hanitsaka andraikitra any amin’ny fahefam-pitsarana amin’ny hanaovana tsindry amin’ny fanafahana an’i Claudine Razaimamonjy sy handentehana ireo mianakendry amin’ny fikitikitihana io mpanolotsain’ny filoha io. Raha mandeha ny fanadihadiana sy fikarohana ny marina momba ny raharaha Claudine Razaimamonjy, dia ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier no voasoketa voalohany ho mpiray tsikombakomba aminy tamin’ny fanomezana tsenam-panjakana azy, ka izay no mampiaka-pofona azy io. Mbola namerina ny fitoriana azy momba izany indray ny Dinika Fanavotam-Pirenena (DFP) afak’omaly. Voabaikony tokoa ve ny fitsarana, ka izay no tsy maha misy tohiny ireny fitoriana ireny ? Efa romotra tanteraka amin’ny filohan’ny SMM, Faniry Ernaivo ihany koa ny minisitry ny fambolena sy ny fiompiana Rivo Rakotovao ankehitriny, ka andrasana izay hambaran’ny HVM ato ho ato. Efa nisy mihitsy ny resaka fandrahonana ho faty voalaza fa nataon’ny loholona Riana Andriamandavy VII tany anaty tambajotra fesiboky, ka nitorian’ny Filohan’ny SMM azy, ary efa tonga any amin’ny zandarimaria ny taratasin’ady, saingy tsy nisy tohiny intsony.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT