Toekarena

Filoha lefitry ny Banky Iraisam-pirenena Mihaona amin’ny mpitondra sy ny mpandraharaha


  • Talata 06 Desambra 2022

Mitsidika an’i Madagasikara hatramin’ny rahampitso 7 desambra 2022 ny Filoha lefitry ny Banky Iraisam-pirenena ho an’ny faritra Afrika atsinana Rtoa Victoria Kwakwa.

Fitsidihana voalohany hataony eto Madagasikara taorian’ny fanendrena azy ny 1 jolay 2022 teeo io. Fotoana hoentin’ny Banky Iraisam-pirenena mamarana ny fifanarahana vaovao ao anatin’ny CPP (Cadre de Partenariat Pays) amin’i Madagasikara ho an’ny 5 taona manaraka io. Hisy ny fihaonana sy fifampiresahany amin’ny tompon’andraikitra ambony eto amin’ny firenena, toy ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina, Praiminisitra Ntsay Christian, ary tomponandraikitra ambony hafa eo anivon’ny governemanta. Ny tao amin’ny lapan’i Mahazoarivo no nandray azy omaly hariva, ka Voaresaka nandritra ny fihaonany tamin’ny Praiminisitra ny mahakasika ny zava-misy lalovan’ny banky ankehitriny izay, entina hanatsarana sy hitondrana fanavaozana eo amin'ny tontolon’ny banky sy ny fandaharanasan’ny governemanta. Navoitra nandritra ny fihaonana koa ny sehatra rehetra mety ho azon’ny firenena Malagasy sy ny Banky Iraisam-pirenena iaraha-miasa. Isan’ny nifanakalozan-kevitra ihany koa moa ny PEM (Plan Emergence Madagascar) izay hanaovan’ny fitondrana pimaso etsy sy eroa. Ankoatra ny fihaonana amin’ny mpitondra, hihaona ihany koa amin’ireo mpitantana amin’ny sehatra tsy miankina, mpikamban’ny firaisamonim-pirenena, vondron’ny vehivavy sy ny mpiara-miombon’antoka amin’ny fampandrosoana, izay hikendrena fiaraha-mientana mba hanohanana ny fanavaozana ahafahana mitondra firoboroboana mivelatra sy andraisan’ny rehetra anjara eto Madagasikara. Hidina eny amin’ireo fokontany sasany eto Antananarivo ahafahana mijery ny fiantraikan’ny tetikasa ho an’ny tontolon’ny tanàn-dehibe vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena vola. Voalaza fa efa tafiakatra 3,4 miliara dolara ankehitriny ny tetikasam-pampampiasam-bola vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena eto Madagasikara, izay misandrahaka amin’ny tetikasa miisa 26. Isan’ny tena atao laharam-pahamehana sy hanompanana ny fandaharan’asa ny fanalefahana ny fahalemena nateraky ny krizy maneran-tany mifandraika amin’ny coronavirus, ny ady any Ukraine, fa eo ihany koa ny fanampiana an’i Madagasikara mba hiditra amin’ny fanavaozana ara-toekarena sy ny mba hiatrehana ny haintany sy ny tsy fanjarian-tsakafo, izay raha dinihina dia miompana betsaka amin’ny mahaolona izay tsy ananan’ny Fanjakana Rajoelina vahaolana maharitra.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT