Toekarena

Filankevitra ara-pitsipi-pifehezana momba ny tetibola sy ny vola Mahavoasazy ireo fahadisoana ara-pitantanana


  • Alakamisy 04 Oktobra 2018

Omaly alarobia 3 oktobra no nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hotely Carlton Anosy ny andraikitry ny filankevitra ara-pitsipi-pifehezana momba ny tetibola sy ny vola (CDBF).

 

 

 

 Ny CDBF moa dia rafitra fanaraha-maso iray manana fizakan-tena ara-pitondrana sy ara-bola izay natsangana eo ambany fiahian’ny praiminisitra. Mizara 2 mazava ny andraikiny dia ny misoroka ireo fahadisoam-pitantanana amin’ny sehatry ny fitantanam-bolam-panjakana sy mandinika mikasika izany ka manome sazy ireo voaporofo fa diso. Maro ireo mpisehatra azo toriana amin’ny CDBF. Anisany ny tompon’andraikitra eo anivon’ny fanjakana foibe tahaka ny tale jeneraly, tale ara-bola, tompon’andraikitry ny tsenam-panjakana, lehiben’ny sampandraharaha, ny mpitana kaonty ary ireo mpitantana ny famoahana sy fidiram-bola. Mitombina ihany koa izany rehetra izany eo anivon’ireo andrim-panjakana sy ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana. Anisan’ny mahavoasazy eo amin’ny lafiny fampidiram-bolam-panjakana ny fandikana ny fitsipika mifehy izany tahaka ny tsy fanoratana ampahana vola miditra na mivoaka. Eo ihany koa ny famoahana vola ataon’ny olona tsy voatendry amin’izany na fanaovana tetibola mihoatra amin’ireo karazam-pandaniana voafetra. Tsy maintsy hahazo lamandy ihany koa ireo manao fanamarinana sandoka momba ny fahavitan’ny asa natao sy ireo manao hosoka momba ny fandraisana ny asa vita.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT