Toekarena

Filaharana etsy sy eroa Fiatombohan’ny krizy ara-toekarena


  • Alatsinainy 23 Martsa 2020

Sahirana tanteraka ny vahoaka Malagasy indrindra ny teto Antananarivo manoloana ny tahotry ny aretina Coronavirus sy ny mety ho fiantraikan’izany.

 

 

Saika nilaharana avokoa na ny Banky, ny toby famatsiana solika, ny vary sy ny entana ilaina an-davan’andro, ny fivarotam-panafody.

Lany vetivety ny vola teny amin’ny Banky

Ny Sabotsy maraina dia nahitana filaharam-be ny teny amin’ny fisintomam-bola GAB (Guichet Automatique Bancaire). Hividianana ireo tahiry mety ho ilaina rehetra no antony nahatonga izany. Araka ny fanadihadiana natao tamin’ny Banky iray dia mitentina 90 tapitrisa Ariary no fandrotsaka rehefa amin’ny fotoana fandraisam-bola tahaka izao ny Zoma ary maharitra hatramin’ny Alahady izany. Tamin’ny faran’ny herinando teo anefa dia lany isan’andro izay ka notsetsemana hatrany nandritra ny 3 andro farany. Hatreto aloha dia mbola maharaka mamatsy ny Banky Foibe matoa mbola mahazo vola hatrany ny olona mila vola hatreto.

Nilaharana ny solika

Vetivety ihany koa dia nilaharana ny fakàna solika teny amin’ny toby mpamatsy. Nisy tranga nampisavoritaka mihitsy aza satria ny teny Ambohidratrimo dia misy sinoa nitondra barika 3 hofenoina solika ka nampimonomonona ny olona. Tsy vitsy ihany koa ireo orinasa sy ireo olona manan-katao no nanao “plein” ny fiara.  Nanamafy moa ny Ofisim-pirenena momba ny akoran’afo (OMH)fa tsy misy ahiana ny famatsiana solika ary ampy ny filàna ka tsy tokony hikoropaka.

Maro be ny nanangom-bary sy ny entana ilaina an-davan’andro

Saika nilaharana avokoa ihany koa na ny mpampongady na ny mpaninjara vary tamin’ny Sabotsy lasa teo. Na dia izany aza dia tsy nahitana fiakarana izany satria nisy ihany koa moa ny fidinana ifotony nataon’ny Ministeran’ny varotra nampitandrina mafy ireo mpivarotra tsy hampiaka-bidy. Na izany aza dia tany amin’ireo entana ilaina an-davan’andro (PPN) no nahitana fiakarana kely. Tamin’io fotoana io ihany koa dia tsikaritra ireo mpaninjara izay maka betsaka tsy takan’ny fakàna entana isan’andro. Na ny arina sy ny voasary makirana aza dia efa nanomboka nanahirana sy niaka-bidy tamin’ny Sabotsy. Raha ny fanambarana nataon’ny eo anivon’ny Minisiteran’ny varotra aloha dia ampy an’I Madagasikara mandritra ny 4 volana ny tahirim-bary ka tokony hilamina ny vahoaka.

Tsy naharaka ny fanafody

Filaharana lavareny ihany koa no hita teny amin’ireny fivarotana fanafody ireny tamin’ny faran’ny herinandro. Ny fanafenam-bava, ny vitamine ary ireo fanafody fampiasa andavan’andro tahaka ny ody kohaka sy ny sery no novidian’ny mpanjifa betsaka. Efa misy ireo karazam-panafody tsy hita intsony amin’ziao fotoana izao.

Ho loza ho an’ny toekarena raha tsy voafehy

Tsy maintsy hisy akony ratsy amin’ny toekarena ny toe-java-misy ankehitriny raha tsy voafehy. Rehefa miakatra be tahaka izao ny filàna dia tsy maintsy hihena ny tolotra ary tsy maintsy arahim-pisondrotam-bidim-piainana goavana izany. Efa fantatra ihany koa ny fidinam-bidin’ny barila ny solika manerantany ary raha hiditra amin’ny fiobohana an-trano ny Malagasy dia  hihena ihany koa ny fanafarana. Rehefa izay dia tsy maintsy ho tonga amin’ny fidanganam-bidim-piainana tahaka ny efa hita amin’ny fiakaram-bidy tsikelikelin’ny PPN izay efa manomboka moral any eny amin’ireo toeram-pivarotana maro.

Tsirinasolo

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT