Toekarena

Fikojakojana làlana “Ahafahana manodinkodim-bola ny “Fond routier””


  • Alakamisy 09 Febroary 2023

Tsy misy afa-tsy fikojakojana mandavan-taona lalana ihany no vahaolana amin’ny olan’ny lalana eto Madagasikara, hoy ny minisitry ny asa vaventy teo aloha, ny Jeneraly Tsaranazy Jean Emile.

Tsy andrasana fotoam-pahavaratra, hoy izy, vao hanao asa maika. Desambra hatramin’ny janoary io no tokony atao. Tsy volam-panjakana ny “Fond d’entretien routier” na FER teo aloha fa volan’ny mpitatitra mampiasa ny lalana ka nanomboka tamin’ny fotoana nitsabahan’ny fanjakana ny fitantanana ny FER no mahatonga ny fahataran’ny fandoavana ny faktioran’ny orinasa mpanao lalana. Ny fanafody voalohany izany dia ny famerenan’ny fanjakana io vola notazoniny ao amin’ny tahirim-bolam-panjakana io ho tantanan’ny FER araka ny lalàna. Lasa FR na “Fond routier” ilay izy izao satria tian-drizareo hitarina ny fampiasana io vola io ho ankoatran’ny resaka fikojakojana ny lalana. Notsipihina fotsiny izany ilay hoe “entretien” mba hahafahana manodinkodina ilay vola ao anatiny ao amin’ny alalan’ny fehezan-dalàna na “texte”. Hita izao ny vokatra fa nahomby kokoa ny FER raha mihoatra amin’ny FR. Ny FR izany izao no akana rehefa hoe misy elanelany ny vidiny tena izy sy ny eny an-tsena, ohatra, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT