Toekarena

Fikirakirana vola anaty finday Manomboka mahazo vahana eny amin’ny banky


  • Alakamisy 20 Septambra 2018

Manomboka miroborobo ary mizotra mankany amin’ny fikirakirana vola anaty finday ny eto Madagasikara.

 

 

Manome vahana ny fifanakalozana mihitsy ny banky  satria afaka mamindra  petra-bola ao amin’ny kaontin’ny banky mankany amin’ny finday. Afaka mandefa ny vola ao anaty finday mankany amin’ny banky ihany koa.  Ankoatra izay, afaka mijery hatrany ny vola sy ireo fifanakalozana rehetra natao farany.  Azo hatao amin’ny fotoana rehetra 24 ora amin’ny 24 ora ary 7 andro amin’ny 7 andro izany. Mety eto Madagasikara io satria iaraha-mahalala ihany koa fa betsaka ny olona tsy mahay mamaky teny sy manoratra fa mahay mampiasa finday. Mamaha olana amin’ny fivezivezena sy ny filaharambe eny amin’ny Banky ihany koa ny fifanakalozana atao.  Anisan’ny nanamafy ny fifanarahana indray ny Banky Malagasy eto amin’ny Oseana Indiana (BMOI) sy ny Orange Money Madagasikara omaly alarobia 19 septambra. Lasa maro ny kioska manakaiky ny mponina amin’izao fotoana ary saika misy mihitsy isaky ny fokontany. Noho ny tolotra sahala amin’itony ihany koa dia mihena ny vola miparitaka etsy sy eroa ary mahatsara ny fandriampahalemana. Manatsara ny toekarena sy efa taratry ny fandrosoana ary tombony raha eto Madagasikara izy io satria fantatra ny fahatahoran’ny Malagasy Banky noho ny taratasy.

Tsirinasolo

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT