nisan’ny vaindohan-draharahan’ny Tahirimbolam-panjakana ny fanaraha-maso ny fivezivezen’ny vola vahiny eto anivon’ny firenena. Mba ahafahany manamafy izay andraikiny izay, dia nametraka ny atao rindram-baiko na “Logiciel”
A antsoina hoe SIG-OC (Système Intégré de Gestion des Opérations de Changes) izy, hoy ny “Chef de division des Opérations Courantes” eo anivon’ny Sampandraharahan’ny Fitantanambola Ivelany, ao amin’ny Ministeran’ny Fitantanambola sy ny Vola, Atoa Ramanambonona Ambinintsoa. Ny ekipan’ny Sampandraharahan’ny Fitantanambola Ivelany na “Service de la Finance Extérieure” eo anivon’ny Tahirimbolam-panjakana no fampahafantarana ny fisian’izany SIG-OC izany ho an’ireo mpandraharaha ara-toekarena, mpanondrana sy mpanafatra entana ary ireo banky eto amin’ny faritra Boeny ny Alarobia 29 Novambra 2017, tao amin’ny hotely Le Coco Lodge Mahajanga Be. Ny famatsiam-bola dia noho ny fiaraha-miasa amin’ny PAGI (Projet d’Appui à la Gouvernance Institutionnelle). Tanjona ny ahafahana manana vaovao eo anivon’ny biraom-panjakana, ny banky ary ny mpandraharaha tsirairay, ahafahana manara-maso eo anivon’ny fanjakana sy ahafahan’ny mpandraharaha tsirairay manara-maso ny mombamomba azy eo anatrehan’ny hetsika fandraharahana ataony. Nanomboka ny 24 Jolay 2017 ny fampiharana ny SIG-OC teo anivon’ny banky ary ny 01 Septambra 2017 dia efa afaka nampiasa azy ny mpandraharaha ara-toe- karena tsirairay. Tombony azon’ny mpandraharaha amin’ny fampiharana ny hahafoana ny fivezivezena eny anivon’ny biraom-panjakana sy ny banky, hihena ny vola lanin’ny mpanondrana sy ny mpanafatra amin’ny fikirakirana taratasy. Toliara, Sambava, Antsiranana, ary Fianarantsoa no efa nanaovana ny fampahafantarana ny SIG-OC. Ho an’ny faritra Boeny dia manana seranan-tsambo manondrana sy mampiditra entana izy. Hisy fiantraikany sy voka-tsoa ho an’ny toekarena eto Madagasikara sy ny faritra avy hatrany izao fanamorana amin’ny alàlan’ny SIG-OC izao” hoy ny Lehiben’ny Faritra Boeny, Atoa Saïd Ahamad Jaffar.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.