Fikarakarana taratasy

Nohamaivanina ny fahafahan’ny vahiny miasa eto


  • Alarobia 28 Febroary 2024

Naaton’ny fanjakana ny fandefasana Malagasy maniry hiasa amina firenena

vitsivitsy any ivelany hoy ny Minisitry ny Asa sy ny Asam-panjakana ary ny Lalàna sosialy, Ramatoa Hanitra Fitiavana Razakaboana androany. Tsy intsony mantsy raha ny fanazavany ny tena toerana handehanana sy hivantanan’ireo Malagasy, izay matetika mampiasa “visa de tourisme” fa tsy mampiasa “visa de travail”. 15 andro kosa no fe-potoana hanatanterahan’ny komity manokana eo anivon’ny Minisitera ny fanadihadiana sy ny fikirakirana ny antontan-taratasy raha mazava tsara ny fifanarahana arak’asa an’ilay Malagasy maniry ny hiasa any ivelany. Ao anatin’izay fikarikarana antontan-taratasy ho an’ny mpiasa izay hatrany anefa dia mifanohitra tanteraka aminy zavatra iainan’ny Malagasy ny fahafahan’ny vahiny miasa eto amintsika satria nohamaivanin’ny fanjakana amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Asa sy ny Asam-panjakana ary ny Lalàna sosialy miaraka amin’ny “Economic Development Board Madagascar” na EDBM ny fahafahan’ireo vahiny maniry ny hiasa eto manao fangatahana “permis de travail”. Raha telo herinandro mantsy ny fikirakirana ny fangatahana teo aloha dia ho vita ao anatin’ny herinandro izany amin’ny alalan’ny fampiasana ny vovonana “e-work”, izay nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy androany tetsy amin’ny Colbert Antaninarenina. 2.200 isan-taona eo ireo “permis de travail” omen’ny Minisitera ny vahiny hiasa eto amintsika amin’ny alalan’ny “guichet unique” an’ny EDBM. 20 isan-jato ny totalin’isan’ny mpiasa miasa ao anatin’ny orinasa iray eto Madagasikara kosa no tokony ho mpiasa vahiny.
Lalaina Rav
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT