Toekarena

Fikaonandohan’ny Zanaka am-pielezan’i Afrika Nahazo fanasana avy amin’i Emmanuel Macron i Erick Rajaonary


  • Alakamisy 31 Mey 2018

Nahazo fanasana manokana handray anjara amin’ilay « Fikaonandohan’ny Zanaka am-pielezan’i Afrika » hotanterahana any Paris ny 22 jona izao Atoa Erick Rajaonary mpanorina ny orinasa Guanomad sady filohan’ny Fivmpama.

Io fihaonana io, izay napetraka eo ambany fiahian’ny filohan’ny repoblika frantsay, Emmanuel Macron, ary ahitana ireo tompon’andraiki-panjakana sy mpandraharaha manana ny maha izy azy aty amin’ny kaontinanta Afrikanina sy ireo mpiara-miasa Frantsay. Azo sokajiana ao anatin’ny hetsika ara-toekarena izy io satria dia mikendry indrindra ny hanomezana toerana lehibe kokoa an’ireo zanak’i Afrika monina any Frantsa sy ireo any amin’ny firenena eoropeanina hafa koa aza, amin’ny fampiroboroboana ny fifandraisana ara-ekonomika misy eo amin’i Eoropa, ny faritra manodidina ny ranomasina Mediteranea ary i Afrika iray manontolo. Tsy tongatonga ho azy ny fanasana an’i Eric Rajaonary ho anisan’ireo handray fitenenana amin’ity « Fikaonandohan’ny Zanaka ampielezan’i Afrika » hatao any Paris ity. Vokatry ny fahaiza-manaony sy ny traikefany azony teo eo amin’ny fanaingana ny Malagasy  miely sy miaina any ivelany rehetra any izany. Traikefa izay nahatonga ny mpandinika sasany hiantso azy hoe « Rain’ny fanentanana ny zanaka am-pielezana malagasy ». Niezaka mafy tokoa mantsy i Erick Rajaonary tamin’ny fampitsiriana tao am-pon’ireo Malagasy monina any andafin’ny riaka ireo ny fitiava-tanindrazana ara-toekarena sy tamin’ny fampirisihina azy ireo hanao tantsoroky ny fampandrosoana ara-toekarena an’i Madagasikara. Ao anatin’ny vinany momba ny fampiaingana ny toekaren’i Madagasikara tokoa mantsy dia omen’i Erick Rajaonary lanja lehibe ny zanaka am-pielezana Malagasy; anisan’ny efa nahita tombontsoa betsaka tamin’io fomba fiasa io ry zareo Sinoa, izay tena matanjaka ara-toekarena afaka mifaninana amin’ny Amerikanina amin’izao fotoana.Amin’ny maha tahala ahafahana mihaona sy mifanakalo traikefa azy dia hisy dinika an-databatra boribory efatra samy manana ny lohahevitra iompanany avy handrafitra an’ity « Fikaonandohan’ny Zanaka ampielezan’i Afrika » atao any Paris ity. Hisy ihany koa tahala natokana ho an’ny fandraisana mpiasa, ny famatsiana ara-bola ny tetikasa, ny famoronana orinasa salantsalany sy madinika sy ny sisa….

 

RTT

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT