Toekarena

Fikaonan-doha ara-toekarena Nanombohana ny fitetezam-paritra ny tao Fianarantsoa


  • Alatsinainy 09 Aprily 2018

Tohin'ny hetsika izay nataon'ny CREM (Cercle de Réflexion des Economistes de Madagascar) tao amin’ny hotely Carlton ny 26-27 martsa lasa teo,

dia notanterahina tany Fianarantsoa ny sabotsy 7 aprily teo ny fikaonan-doha ara-toekarena (Forum economique regional) ho an’ny faritanin’i Fianarantsoa. Nisy lohahevitra 5 no novelabelarina tao anatin'izany izay mahakasika indrindra ny fijerena ireo sakana tsy mampandroso ny Faritany Fianarantsoa ka mahatonga azy ho faralahy amin'ireo faritany 6, teo ihany koa ny fanazavana ny tontolom-pamokarana eny anivon'ireo mpamboly. Izany rehetra izany moa dia nataon'ireo mpikambana ao amin’ny CREM, mpampianatra mpikaroka eny amin’ny oniversiten’Antananarivo sy Fianarantsoa. Nisy ny fandraisan'anjara mavitrika nataon'ireo raiamandreny, ireo manampahaizana avy ao amin’ny faritra, ireo fikambanana tsy miankina, ireo antoko politika rehetra izay misy ao amin’ny faritany Fianarantsoa. Nivoitra tao anatin'ny adihevitra ary fa manana tombony manokana Fianarantsoa, na olona izany na ny toetrandro ahafahana mahazo vokatra tsara na ny harena ambany ny tany. Hisy moa ny famakafakana ny hevitra rehetra ary harafitra ho rakikevitra izany, "Hitanay mpikambana ao amin’ny CREM, izay nanatrika taty fa tena liana ny olona. Tsy toy ny efa nisy hatrizay moa izy ity fa araky ny voalaza dia hamoaka "documents cadres" izahay mpahay toekarena, mpikambana ao amin.ny CREM mba ho fototra iaingan'ireo paikady rehetra entina hampandroso ny faritra rehetra ato Fianarantsoa", hoy Atoa Zavamanitra, mpandrindra ny CREM Faritany Fianarantsoa. Tsiahivina fa teo ambany fiahian'ny FFKM Fianarantsoa, CFM Fianarantsoa ary ny Raiamandreny sy ireo « Cadres intellectuels » tao an-toerana ny hetsika izay natao ity. Marihina fa entina mitety faritany hafa ity fikaonan-doha ity raha araka ny fanazavana azo hatrany.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT