Toekarena

Fikambanan’ny Zanak’Alaotra Nanolotra ny vina fampandrosoana ny faritra


  • Talata 22 Janoary 2019

Tahaka ireo faritra maro samihafa izay nampatsiahy ny vina IEM sy ny veliranon’ny filoham-pirenena vaovao dia nanatanteraka ny fanambarany ihany koa ny fikambanan’ny zanak’Alaotra.

 

 

 Nampiavaka ny azy ireo  ny fanolorana mihitsy ireo vina fampandrosoana ny faritra  Alaotra nomanin’izy ireo ary haterina any amin’ny filoha. Anisan’ny voaresaka ao anatin’ity vina homena ny filoham-pirenena ity nandritra ny fanambarana natao tetsy amin’ny Pave Antaninarenina  ny fanamboarana ny lalana RN44 mandrapahatonga any amin’ny lalana Andilamena izay tena efa potika tanteraka ary miteraka fitokana-monina. Ankoatra izay dia mampikaikaika ny mponina indrindra ireo tantsaha  ny tsy fandriampahalemana izay misakana tanteraka ny fampandrosoana. Olana ihany koa ny fitaovana momba ny tambajotran’ny rano izay tena tsy ampy sy efa antitra ka mampijaly ny tantsaha amin’ny famokaram-bary sy ny fanitarana mahakasika izany. Manankarena tanimbary ity faritra ity ka tokony hohatsaraina sy hanaovana ezaka manokana ny fanatsarana sy fanaovana ny toho-drano, hoy ny filohan’ny fikambanana, ny Jeneraly Rabearivonjy Justin. Manantena izahay, hoy izy fa tena handroso be ny faritra Alaotra ary tena hisy drafi-pampandrosoana hotanterahina avy hatrany satria izany ihany koa no voarakitra ao amin’ny vina IEM.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT