Toekarena

Fikambanan’ny vehivavy mpandraharaha eto Madagasikara Hiezaka hanome lanja hatrany ny vokatra Malagasy


  • Talata 13 Novambra 2018

Nisy ny atrikasa nataon’ny Fikambanam-behivavy Mpandraharaha eto Madagasikara (GFEM) omaly alatsinainy 12 novambra tetsy amin’ny Hotely Le Pave Antaninarenina.

 

Tafiditra ao anatin’ny tetikasa Procom izay vatsian’ny Vondrona Eoropeanina vola ary haharitra 5 volana izy ity, efa nanomboka ny volana oktobra lasa teo. Nitodika tamin’ny resaka fanodinana ny voankazo sy ny fanomezan-danja ny fanondranana ireo karazam-bary misy eto amintsika mankany ivelany ny atrikasa. Tsiahivina fa efa nisy mpikambana 14 eo anivon’ny GFEM nifanakalo traikefa tamin’ny vehivavy mpandraharaha maneran-tany tao anatin’ny kongresin’ny vehivavy mpitantana orinasa natao tany Rosia ny volana oktobra lasa teo ihany. Tamin’izany no nampahafantarana ny vokatra Malagasy ary tena maro ny liana ankoatra ny tsena rosianina izay efa voasarika araka ny tatitry ny lehiben’ny tetikasa, Ramatoa Dhoulifao Ali Said. Ny Olana hita, hoy izy dia ny resaka famonosana entana izay efa tena manara-penitra tanteraka ny any amin’ny firenena maro ka antony hanatanterahana ity atrikasa ity handinihana ny vahaolana. Ankoatra izay, nojerena ihany koa ny tokony hatao ny amin’ny tsy mbola fananan’ny  vehivavy mpandraharaha ny “Certification bio” ka nanairana ireo tompon’andraikitra, indrindra ny avy any amin’ny minisiteran’ny varotra sy ny fanjifana ary ny minisiteran’ny Indostria sy ny fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina. Mpikambana miisa 50 no nanatrika ny atrikasa. Nezahina nohazavaina tao ny tsena momba ny sehatra fanodinana ny fambolena (Agro-Industrie) ary hisy ny fifaninanana amin’izy ireo ka ny 35 no hahazo fiofanana ary tena hisitraka ny tetikasa.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT