Nandritra ny fivoriam-ben’ny fikambanan’ny Tour OPerators (TOP) eto Madagasikara tetsy amin’ny INTH Ampefiloha omaly no nanapahan’izy ireo hevitra ny fanemorana ireo drafitrasa rehetra hotanterahina amin’ity taona ity.
Natao izany nohon’ny fanapahan-kevitry ny fanjakana izay nanapaka ny sidina rehetra misy. Tsiahivina fa ny Zoma izao no hikatona tanteraka izany ka hitoka-monina i Madagasikara ary efa miverina mody daholo ireo mpizahan-tany. Nanambara ny filohan’ny TOP Madagascar,Atoa Jonah Ramampionona fa ny 80%n’ny asa atao no efa tsy handeha intsony nohon’ny fiantraikan’io fanapahankevitra io. Ny fandraisana ireo sambo mpizahatany moa dia efa najanona tanteraka nanomboka ity volana Martsa ity ary efa mahatratra 70% ankehitriny ny fanafoanana ny famandrihan-toerana nataon’ireo vahiny mpizahatany. Tsy maintsy ho tonga hatrany amin’ny 100% mihitsy izany fanafoanana izany aoriana kely araka ny nambaran’ny tompon’andraikitra.Tanjona tamin’ity fivoriambe ity ihany koa ny hametraka feo iraisana eo anivon’ny CTM (Confédération du Tourisme de Madagascar) mba hitohy ihany ireo asa kely tsy maintsy hatao tahaka ny any amin’ny Hotely sy ny kaompaniam-ppiaramanidina any mba hampiodinana hatrany ny orinasa. Efa nisy ihany ny fifampiresahana tamin’ny fikambanana sy ny Ministeran’ny Fizahan-tany mahakasika izany satria misy hatrany ny mampiodina ny fizahan-tany anatiny na dia eo aza ny sakana rehetra ateraky ity valan’aretina miantraika amin’ny sehatra fizahan-tany sy toekarena ity.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.